Bac 2025 Toliara : Voarara ny fitondrana Finday sy Montre connectée
Nohamafisina ireo fepetra fisorohana ny hosoka amin'ity Bac 2025 ity. Ho an'ireo Centre d'examen rehetra ao Toliara, tsy azon'ny mpiadina atao ny mitondra Finday sy Montre connectée.
Fanao mahazatra ny mametraka finday sy kahie ary fitaovana samihafa ao anaty kitapo mihidy rehefa miatrika fanadinam-panjakana. Amin'ity indray mitoraka ity, tsy azo ampidirana Finday na appareil connecté mihitsy ny foibem-panadinana rehetra ao Toliara, araka ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toliara, Veriza Francis.
Fisorohana ny hala-tahaka
Noho ny fivoaran'ny Teknokojia, ahiana hanararoatra hijery valim-panadinana amin'ny tranokala isan-karazany ireo mpiadina. Ireo taranja "littéraire" no tena hilan'ireo mpiadina "sopapa" matetika. Amin'ny taranja siantifika indray dia irony karazana "formule" irony no tena itadiavan'ireo mpiadina hevitra hanaovana hala-tahaka. Tsy misy vaovao amin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny intsony ireo "fikafika" fanaon'ireo mpanala fanadinana fetsifetsy, ka izany indrindra no nandraisana fepetra matotra toy izao.
Tsy vitan'izany fa arahi-maso ihany koa ireo mpiadina mikasa hifanoro, na ao anatin'ny efitranom-panadinana, na any amin'ny toeram-pivoahana. Tanjona ny hahazoan'ny tsirairay diplaoma tena mifanaraka amin'ny fahaizany madiodio. Fitsapam-pahaizana mantsy ny fanadinam-panjakana toy ny Bakalorea, ka izay mahafeno n'y fepetra takiana ihany no mibata ny amboara.
Fanomanana famoahana vokatra
Ho an'ny Oniversiten'i Toliara manokana, mametraka lamina maty paika ireo tompon'andraikitra mba hamoahana ny Résultat Bac 2025 farak'izay haingana. Izany no atao dia mba tsy hampiandrasana ela loatra ireo mpiadina sy ireo ray aman-dreny mitaintaina. Tsy midika akory izany fa ho tsaraina maimaika ireo taratasim-panadinana. Samy manana tanjona tratrarina ireo mpitsara isan'andro, nefa ho voajery tsara ny taratasim-panadinana tsirairay. Araka ny mahazatra, tsy maintsy misy ny fampahafantarana ny fotoana hanaovana ny Délibération, izay hahafahan'ireo mpiadina miomana amin'ny fijerena ny valim-panadinana.
Tsara ny manamarika fa 11 taona ny zandriny indrindra ary 65 taona ny zokiny indrindra amin'ireo mpanala Bac 2025 ao Toliara.