Génération 2 000 : Tsy hisy hira vaovao hohiraina mandritra ny seho
Andiany fahatelo amin’ny hetsika Génération 2000 ny ho tanterahina ny alahady 27 jolay izao. Hifampizara sehatra ao anatin’izany i Imagine, Tempo Gaigy, Groupe 'Zay, Mirado, Joy K, Spydee, Eric Tahiana ary i Marion. Nisy ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety, notanterahina teny amin’ny Campus Yas Andraharo, androany, nampahafantarana ny hetsika.
Hira nanamarika ny taona 2 000 avokoa
Araka ny anarana nampitondraina ny hetsika dia mpanakanto nanana ny lazany tany amin’ny taona 2000 tany avokoa ireo handray anjara ireo. Misy amin’izy ireo no efa ela tsy hita ary misy ireo mbola miezaka mamelona ny hirany indray. Nanamarika anefa izy ireo fa tsy hisy hira vaovao hohiraina mandritra io andro io. « Hiara-hiaina ny hira tamin’ny taona 2 000 indray isika. Efa ela izahay tsy niakatra an-tsehatra fa hiara-hihira isika ary hiaraka hankafy ireo hira efa nahafantarana anay », hoy i Mamie, ao amin’ny tarika Imagine.
Etsy ankilany dia seho tokana ho an’i Joy K, amin’ity taona 2025 ity eto Madagasikara ny G2000. « Hanenjika fotsiny ity fotoana ity no nahatongavana ary ireo hira efa nahafantarana hatramin’izay no hiarahantsika », hoy kosa i Joy K. Nanamafy ihany koa ny tarika Tempo Gaigy izay nanamarika fa na manana hira vaovao aza izy ireo, dia ireo hiran’ny taona 2 000 ihany no tena hameno ny fotoana.
Hotendrena avokoa ny hira
Hanakoako ireo hira samihafan’ny taona 2000 ireo, ao amin’ny « Palais des Sports Mahamasina ». Nanamarika i Sylvanno Ratsimandresy, avy ao amin’ny SR Event, mpikarakara fa hotendrena avokoa, ny hira rehetra handeha amin’io fotoana io. Ny “Sary sy Feo” no hikarakara ny zavamaneno, mandritra ny hetsika.
Etsy andaniny, ho an’i Marion kosa dia handeha mivantana amin’ny alalan’ny efijery lehibe (écran géant) ny seho hotanterahiny. Tsy ho avy eto Madagasikara araka izany ny tenany.
Hiaraka hanembona ny taona 2000 miaraka amin’ireto mpanakanto miisa 8 ireto, araka izany ny rehetra.