• Cours de change
  • 5077.28 AR
  • |
  • $4431.04 AR
Copyright Image : © Fb
Image
Vaovao

Bac 2025 : Hentitra ny fandaminana sy ny fanaraha-maso

22/07/2025 08:46 © Moov

Miditra amin'ny andro faharoa amin'ny fanadinana Bakalorea 2025 ireo mpiadina. Hatramin'ny omaly 21 jolay fanombohana, fepetra hentitra no ampiharin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

Fandaminana matotra

Voarara ny fitondrana finday amin'ny ankapobeny. Misy kosa nefa ireo toeram-panadinana mandray ny mpiadina mbola mitondra izany, saingy apetraka ao anaty kitapo mihidy alefa eny aloha manakaiky ireo mpiambina izany. Mazava ho azy, tsy azon'ny mpiadina sokafana ny kitapony raha tsy rehefa hamonjy fodiana izy, izany hoe, avy manatitra taratasim-panadinana. Ho an'ny teny amin'ny Lycée Andoharanofotsy ohatra, savaina avokoa ireo mpiadina rehetra vao miditra ny efitranom-panadinana. Ho fisorohana ny mety fanafenana finday na taratasy any anaty paosy na any anaty akanjo no ampiharana izany fepetra izany.
Fitsipika tsy maintsy arahina kosa, manerana ny Nosy, ny tsy fahafahan'ny mpiadina mivoaka raha tsy adiny iray aorian'ny fanombohan'ny fanadinana. Tsy azo atao izany ny mamonjy toeram-pivoahana na manatitra "feuille" raha tsy tapitra ny adiny iray.

Mpitandro filaminana iray nosamborina

Mpitandro filaminana iray, anisan'ireo niandraikitra ny fanaparitahana "sujets" amin'ireo Centres d'examen, no voasambotra omaly. Nalainy sary ny laza adina filozofia, ka nanaovany ranty tamin'ny tambazotran-tserasera Facebook. Nanaovany fanehoana ilay sary fa manana laza adina feno ny tenany, amin'ity Bac 2025 ity.
Entanina hatrany ireo mpiadina sy ireo ray aman-dreny mba tsy ho sodoka amin'ny fisolokiana mikasika ny fivarotana laza adina. Tsiahivina fa fitsapam-pahaizana ny fanadinana, ary miantoka ny hoavy manontolo izany. Noho izany, tay hasiahana akory no mahatonga ireo tompon'andraikitra tsy manaiky hosoka mihitsy.

Lire la suite

Articles Similaires