Festival Sômarôho : Hisy mpanakanto avy any ivelany miisa 7 ary 30 avy eto an-toerana
Mandeha amin’ny hafaingianam-pandeha 100km isan’ora, hoy ny mpanakanto Wawa, ny fanomanana ny Festival Sômarôho, amin’izao fotoana izao. Hotanterahina ao Nosy Be ny 6 hatramin’ny 10 aogositra izao mantsy izy io. Nisy ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety, teny amin’ny Golf du Rova, Andakana, androany.
Fandraisana anjara mpanakanto avy any ivelany
Isan’ny mampiavaka ity hetsika karakain’i Wawa sy ny ekipany ity ny fampisehoana maro be. Miditra amin’ny andiany faha-12 ny hetsika amin’ity taona ity, ary hotazomina hatrany ny tian’ny mpankafy. « Tsy manao izay tinay mpikarakara izahay fa manontany hatrany ny hevitry ny mpankafy mba hanomezana fahafaham-po azy ireo », hoy hatrany i Wawa, tamin’ny fanazavana. Ao anatin’izany dia nanome toky ity mpanakanto ity fa ahitana mpanakanto isan-karazany, arakaraky ny taona ao.
Amin’ity 2025 ity dia mpanakanto avy any ivelany, tsy latsaky ny 7 no nasaina, hoy ny fanazavana. Ahitana an’i Says’z avy ao France sy i Ruger, avy any Nigéria. Handray anjara ao ihany koa ny zanaky ny mpanakanto Lucky Dube, mpivazo reggae, izay nomarihin’i Wawa fa hiaraka amin’ny mpitendriny rehetra izy. Isan’ny voatonona ihany koa i Bacoili, avy ao Mayotte, izay efa manana hira niarahana tamin’i Wawa. Ankoatra izay dia mbola misy hafa ho avy hanafana ny sehatra ihany koa.
Mpanakanto avy amin’ny faritany 6
Fotoam-pialantsasatra ny fotoana hanatanterahana ity Festival ity, izany hoe misy olona avy amin’ny lafo valon’ny Nosy. Hanomezana fahafaham-po ny rehetra sy ho fampiraisana ny Malagasy, ihany koa dia handray anjara ireo mpihira avy eto Madagasikara. Samy nangalana avokoa isaky ny faritany. Ohatra amin’izany i Mage 4, avy eto Antananarivo. Ny avy any Toliara, ahitana an’i Mamoa (Mipaipay mariny) sy ny avy any Toamasina, Mahajanga, Antsiranana ary Fianarantsoa.
Ankoatra ireo fampisehoana samihafa ireo dia hanombohana ny hetsika ny « carnaval » lehibe. Hisy ihany koa ireo lalao ara-panatanjahantena isan-karazany.
Nomarihin’ny mpikarakara fa efa natsaraina ny sehatra sy toerana hanatanterahana ny lanonana. Efa navaozina ihany koa ny toeram-pivoahana, hoy i Wawa, izay fiaraha-miasa avy amin’ireo mpanohana. Amin’ity taona 2025 ity dia hiaraha-manatanteraka amin’i Yas Madagasikara, ny Groupe Sodiat, ny Acces Banque ary ny orinasa Star ny hetsika.