• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Tv Plus
Image
Vaovao

Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Mitohy ny fihainoan'ny Fitsarana ny havan'ireo maty

24/07/2025 07:15 © Moov

Tato anatin'ny herinandro dia nahitam-pivoarana ny raharaha Fanapoizinana ara-tsakafo, namoizana ain'olona 31, teny Ambohimalaza. Mitohy ny fanadihadihana lalina tanterahin'ireo mpitandro filaminana sy ny Fitsarana.

Tamin'ny fiafaran'ny herinandro teo no nanambara ny Minisitry ny Fitsarana, Benjamin Alexis Rakotomandimby, fa tsy maintsy handalo fanadihadihana ny tompom-pety sy ny akaiky azy, satria "tsy misy olona arovana manokana ny Fanjakana". Efa nisavorovoro tanteraka mantsy ny toe-draharaha noho ny fiahiahian'olona an'aliny maro fa "afenina sy arovana manokana" i Feno Hasina, tovovavy nankalaza ny tsingerintaona nahaterahany tamin'ilay lanonana nitarika fahafatesana marobe.

Fihainoana ireo fianakaviana mana-manjo

Efa tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity no nanomboka ny fihainoana ireo fianakaviana namoy havana. Nivondrona nametraka fitoriana nikambanana moa izy ireo. Ny teny amin'ny Zandarimaria teny Fiadanana, Brigade de recherche, no nampiantso voalohany, tamin'ny alatsinainy 21 jolay lasa teo. Tamin'io andro io, nohadihadihana ihany koa ny renin'i Feno Hasina. Ity farany tompom-pety kosa dia teny amin'ny HJRA no nanaovana ny fakana am-bavany azy. Nanomboka ny talata 22 jolay kosa ny fiakaran'ireo fianakaviana teny anivon'ny Fitsarana Anosy. Mbola mitohy hatrany ny fihainoana ireo fianakaviana, hatramin'ny androany alakamisy 24 jolay. "Atao famotorana eo anivon'ny Doyen des Juges d'instruction ireo niharam-boina", hoy ny mpisolovava azy ireo, Maître Eric Rafidison. Miisa 10 eo ho eo ireo fianakaviana nitoroka, ka 2 amin'izy ireo ihany no manana mpisolovava manokana.
Andrasan'ny maro, na ireo havan'ireo nodimandry na ireo mpanara-baovao, ny hisian'ny raharaham-pitsarana mahakasika manokana an'i Feno Hasina sy ny reniny. Mbola tsy misy tohiny hatreto ny Fitsarana ireo vehivavy miisa 3 tazomina vonjimaika eny amin'ny Fonjan'Antanimora, na dia nalaina am-bavany teny Fiadanana ihany koa aza, tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity.

Fiandrasana izay tena marina

Manamafy hatrany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Andriamanantany, fa "tsy Botulisme velively no niseho teny Ambohimalaza fa fanapoizinana". "Tsy misy idiran'ny Politika rahateo ity raharaha ity", araka ny nambaran'ny Mpitondra tenin'ny Governemanta, ny Minisitra Mara Volamiranty Donna. Noho izany indrindra, mitombina sady tsy azo lavina ny fitoriana napetrak'ireo fianakaviana namo havana, izay manondro ny tompom-pety. Amin'ity androany ity, alakamisy 24 jolay, hisy ny fandaharana mivantana amin'ny TVM sy RNM, hanadinan'ny filoham-pirenena ireo Minisitra voakasika amin'ity raharaha ity, amin'ny 8 ora alina.
Raha 9 no voalaza fa mbola manohy ny fitsaboana eny amin'ny HJRA tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, misy amin'izy ireo no efa sitrana soa aman-tsara ka efa nalefa namonjy fodiana. Anisan'izany i Njara sy Mbolatiana, na dia mafy aza ny sedra nolalovan'izy ireo. Ho an'i Njara manokana, mpiara-monina amin'i Feno Hasina eny Ambohimirary, very 27 kilao be izao ny tenany nandritra ny fitsaboana, satria lasa 40kg izy ankehitriny raha 67kg teo aloha. Nilaza ny hifanohana amin'ireo fianakavian'ireo maty moa ny tenany, sady hametraka fitoriana ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires