• Cours de change
  • 5137.34 AR
  • |
  • $4424.8 AR
Copyright Image : © Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana
Image
Vaovao

Clarisse Ratsifandrihamanana : Nivoaka ny boky momba azy, natokana ho an’ny mpianatra

25/07/2025 14:49 © Moov.Mg

Namoaka boky vaovao mirakitra ny tantaram-piainan'ilay mpanoratra, Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, sy ny asa sorany, ny trano fanotam-boky Editions Ambozontany Analamahitsy. Miantefa indrindra amin’ireo ankizy mpianatra ity boky ity, araka ny fanazavana.

Boky mora vakiana sy mora entina

Ireo zanak’i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, Ratsifandrihamanana Lila Hanitra sy Ratsifandrihamanana Lisy Zarasoa no nanambatra ireo angon-kevitra voarakitra ao anatin’ity boky ity, izay nosintonina tamin'ny boky mitondra ny lohateny hoe : "Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana, ny fiainany sy ny asasorany", izay efa nivoaka tamin’ny taona 2022.
Ireo mpianatra no tena iantefan’izy ity, ka nokendrena mba ho boky mora raisina, mora vakiana sy mora entina izy ity. Araka izany, ity boky ity dia mamintina ireo teboka lehibe tsara ho fantatry ny mpianatra momba ny mpanoratra, ahitana andalan-teny fohy notsongaina tamin'ireo diam-peniny, ary nohaingoina sary vitsivitsy hahafahan'ireo mpamaky mametraka endrika hita maso eo amin'izany anarana Clarisse Ratsifandrihamanana izany, hoy ny fanazavana hita eo amin’ny fonom-boky.

Mpanoratra manana ny lazany

I Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana dia mpanoratra isan’ny manana ny lazany eo amin'ny sehatry ny literatiora malagasy. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana ny asa-sorany, toy ny « Lavakombarika ». Mazàna no misy ampahan-tsorany mivoaka any anaty laza adin'ny fanadinam-panjakana, hany ka tena ilain’ny tanora ny mahalala tsara ny mombamomba azy sy ny boky nosoratany.

Clarisse Hortense Ravaoarisoa Andriamampandry no anarany feno. Teraka ny 5 desambra 1926 tao Fenoarivo-Atsinanana izy ; nanambady ny Dokotera Henri Ratsifandrihamanana ary niteraka valo mianadahy. Vao 16 taona izy dia efa nanomboka nanoratra, ary tena nifantoka tamin’izany, nanomboka ny taona 1950, taorian’ny namoizany ny zanany vavy fahatelo. Nanoratra tantara foronina, sombin-tantara, tantara an-dapihazo, tononkalo, angano sns izy. Ny 28 jona 1987 no nodimandry i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana.

Lire la suite

Articles Similaires