Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 28 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 28 jolay hatramin'ny alahady 3 aogositra.
Bac 2025 # Mizotra tsara ny fitsarana ireo taratasim-panadinana
Nifarana ny alakamisy 31 jolay lasa teo ny Bac 2025, ka ireo mpiadina Sokajy Teknika no niatrika ny herinandro faharoa. Niha-hentitra ny fiambenana ireo mpianatra tamin'ity fanadinana 2025 ity, nentina nisorohana ny hala-tahaka isan-karazany. Nanomboka ny alatsinainy 28 jolay kosa ny fitsarana ireo taratasim-panadinana. Mizotra tsara izany eny anivon'ireo Oniversiten'ny Renivohi-paritany manerana ny Nosy.
Ho an'ny Oniversiten'Antananarivo manokana, nanambara ireo tompon'andraikitra fa andrasana amin'ny 20 na 21 aogositra ny valim-panadinana. Ho fantratr'ireo mpiadina miandalana izany, arakaraka ny daty hanatanterahana ny "délibération". Eo am-piandrasana ny vokatra, maro amin'ireo mpanala fanadinana no efa mifantoka amin'ny fanomanana ny tohin'ny Fianarana, amin'ny alalan'ny famantarana ireo sekoly ambony miankina sy tsy miankina.
Raharaha Boeing 777 5R any Iran # Naato tamin'ny asany ny Minisitry ny Fitaterana
Miteraka resabe ny fisian'ny fiaramanidina mitondra laharana avy eto Madagasikara any Iran. Ny talata 29 jolay lasa teo no nisy fanovana ny didim-panjakana laharana faha 2024-1612 tamin’ny 22 aogositra 2024 nanendrena ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Naato tamin'ny asany araka izany ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Fanamantarana ny Toetry ny andro, Ramonjavelo Valery. Ny Praiminisitra Ntsay Christian no misahana vonjimaika io ministera io, eo am-piandrasana ny fanendrena minisitra vaovao.
Araka ny fanambarana ofisialy tamin'ny famindram-pitantanana, tsy nahalala velively mikasika ity raharaha ity na ny Praiminisitra na ny Filoham-pirenena. Miitatra nefa ny resaka etsy sy eroa ka voatonona hatramin'ny zanaky ny Filoha.
Raharaha Ambohimalaza # Nidoboka am-ponja ny tompom-pety sy ny reniny
Anisan'ny vaovao nanintona ny sain'ny olona maro ny fivoaran'ny raharaha ara-pitsarana mikasika ny Fanapozinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. Raha tsiahivina, nametraka fitoriana faobe ny tompom-panasana sy ny reniny ny fianakavian'ireo namoy ny ainy.
Rehefa nandalo fampanoavana àry i Fenohasina sy ny reniny dia tapaka tamin'izany fa alefa eny am-ponja mandra-piandry ny Fitsarana azy ireo. Miisa 5 izany hatreto ireo tazomina am-ponja vonjimaika, izay samy vehivavy avokoa, ary ny 4 amin'ireo dia mpihavana. Tamin'ny faraparan'ny herinandro teo no naharaisana vaovao fa nisy nafindra toerana ny sasany amin'ireo voarohirohy ireo, mba tsy hahafahany mifanerasera. Ny telo no tazomina ao amin'ny fonjan'Antanimora, ny iray any amin'ny fonjan'i Manjakandriana ary ny iray any amin'ny fonjan'Ambohitrabiby.
Vidin-tsolika # Nihena 200 ariary/l ny Essence sy ny Gasoil
Vaovao tsara no niandry ireo mpitatitra sy mpampiasa fitaovam-pitaterana manokana ny voalohan'ny volana aogositra lasa teo. Nahitana fidinany 200 ariary isaky ny litatra mantsy ny Essence SP95 sy ny Gasoil. 5 120 Ariary/litatra ny vidin'ny Lasantsy amin'ity volana aogositra ity, raha 5 320 Ariary izany teo aloha. Ny Gasoil kosa dia 4 700 Ariary/litatra raha 4 900 Ariary teo aloha. Marihana fa nisy fidinany ihany koa ny Solika Fandrehitra (Pétrole), ka jifaina amin'ny vidiny 3 120 Ariary ny litatra.
Azo heverina fa tsy tokony hampakatra sarandalana ireo mpitatitra zotra rezionaly sy nasionaly amin'izao fialantsasatra izao. Maromaro nefa ireo lalampirenena simba, ka mety ho antony hahatonga fiovan'ny sarandalana izany, na dia mihena aza ny vidin-tsolika.
Fihaonambe SADC # Manomboka tonga eto Madagasikara ireo vahiny nasaina
Androany Alatsinainy 4 aogositra 2025 no manomboka ny Fihaonambe, amin’ny alalan’ny Fivorian’ireo Fonksioneran’ny SADC sy tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny SADC.Atoa Elias Magosi, Sekretera Jeneralin’ny SADC, no vahiny ambony voalohany tonga eto Madagasikara omaly alahady 3 aogositra. Ny fandinihana ny "Plan stratégique indicatif de développement régional # RISDP" na drafi-pampandrosoana ankapobeny ho an’ny faritra no anisan'ny zava-dehibe hivohitra amin'izao fanombohana izao.
Samy nanatanteraka fanadiovana ny avy eny anivon'ny Ministera tsirairay sy ny fokontany teto Antananarivo sy ny manodidina. Ho an'ny Ministeran'ny Serasera sy ny kolontsaina ohatra, ny teny amin'ny Art Malagasy, ny Akoor Digue, ary ny Rond-point Andohatapenaka no nanatanterahana fanadiovana sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa iombonana.
ASIEF 2025 # Fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ireo mpiasam-panjakana
Any Mahajanga no tanterahina ny fifaninanana nasionaly ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana, andiany 2025, na ny Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires (ASIEF). Ny zoma 1 jolay lasa teo ny fanokafana, teny amin’ny Village Touristique. Haharitra hatramin'ny 15 aogositra moa ny fifaninanana.
Raha tsiahivina, ny tanjona lehibe amin'ny fikarakarana ny ASIEF dia ny fanamafisana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin'ny samy mpiasam-panjakana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena. Ankoatra ny fitaizana ny vatana dia fanehoana ihany koa ny fahavononana sy ny toe-tsaina tia mifaninana ao anatin'ny firahalahiana, izay inoana fa hitondra voka-tsoa eo amin'ny tontolon'ny asa andavanandro.
Fanamboaran-dalana ao Mahajanga # Tontosa ny asa ao an-tampon-tanàna
Vita amin’ny ankapobeny ny asa fanavaozana ny lalambe ao afovoan-tanànan’i Mahajanga. Mihoatra ny 10 km ny lalana nohavaozina, mamakivaky ny tanàna sy manome aina vaovao ho an’i tanàna. Anisan’izany ny : Rue Serbie, Rue Georges V, Avenue des Comores, Boulevard Marcoz ary ny RN54 mankany Amborovy. Izany no tanteraka dia noho ny famatsiam-bolan’ny Fonds Routier, 5 volana monja taorian’ny fankatoavan’ny Filan-kevitry ny Minisitra tao an-toerana.
Manentana ny rehetra ny amin'ny hanajana ireo fotodrafitr'asa iombonana moa ireo tompon'andraikitra. Reharehan'i Mahajanga izao fahavitan'ny lalana izao, indrindra fa miha-maro ireo mihazo ny toerana amin'izao fialantsasatra lehibe izao.
Lozam-pifamoivozana Morondava # Olona 8 namoy ny ainy
Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao amin’ny lalam-pirenena faha-35, tao Beranomaso, ka olona valo no namoy ny ainy, ary maro hafa no naratra mafy. Fiara Mazda manao fitanterana mampitohy an'ny Morondava sy Mahabo iray nitondra olona 25 avy any Mahabo nangalatra nampitohy an'ny Miandrivazo no nianjera tany anaty hady rehefa tsy nahafehy ny hisatra ilay mpamily.
Olona 7 no maty tsy tra-drano, raha toa ka am-polony ireo mpandeha naratra. Nitsambikina ilay mpamily ka avotra ny ainy, ary efa nitolo-batana ny tenany. Anisan’ireo naratra ihany koa ny mpamily mpanampy. Nentina namonjy hopitaly tany Morondava izy nefa tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra.
Fiompiana trondro any Manakara # Miakatra ny vokatra ao Ivakoana
Efa-bolana teo ho eo izay no nampihodina ny ZEP na « Zone d’Emergence Piscicole » ao Ivakoana, Marofarihy, Manakara. Ankehitriny dia efa miakatra ny ampaham-bokatra voalohany.
Dobo iray mirefy 1 ara mahery kely no nakana trondro namidy ny fiandohan'ny herinandro lasa teo. Trondro Tilapia sahabo ho 60 kg no niakatra tao, ary manodidina ny 200-500g eo ny hangeza ny trondro iray. Namidy amin’ny vidiny 20.000Ar isan-kilao ny trondro ka lany avokoa izany.
Manaporofo izao fiakaram-bokatra izao fa azo atao tsara ny fiompiana trondro an-dobo na any amin'ny tany mafana aza. Tsy voatery hionona amin'ny trondron-dranomasina izany ireo mipetraka eny anivon'ireo morontsiraka.
Fisolokiana teny Ambodin’Isotry # Vehivavy iray voasambotry ny polisy
Ny tolakandron’ny sabotsy 02 Aogositra lasa teo, vehivavy iray no nilaza fa hividy "balle friperie" tamina mpamongady iray tetsy Ambodin'Isotry. Nilaza izy fa handoa izany amin’ny Mobile Money, ka nisy mpiasan’ilay mpamongady nanaraka azy haka ny vola, teny an-dalana dia norebirebeny ilay mpanara-dia azy ka nanararaotra nitsoaka nitondra ny entana nitsoaka ity vehivavy ity.
Nampandre ny Polisy ny tompon’entana ka nirosoana avy hatrany ny fikarohana ity vehivavy mpisoloky ity, voasambotra teny amin’ny manodidina ihany izy, ary tsy hita teny aminy intsony ilay entana fa efa namidiny. Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany faha 04 Isotry ilay vehivavy ka nanaovana fanadihadiana.