• Cours de change
  • 5122.9 AR
  • |
  • $4432.9 AR
Copyright Image : © Minceur & Harmonie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo karazana « carences » mety mitranga rehefa ririnina

04/08/2025 10:37 © Moov.Mg

Ilaina ny fihinanana sakafo voalanjalanja mba hiadiana amin’ny « carences » na tsy fahampiana otrikaina, indrindra rehefa vaninandro mangatsiaka toy izao. Resahana eto ary ireo karazana « carenes » mety mitranga rehefa ririnina, ny mety ho antony izany sy ny mety fisehony.

Inona no atao hoe « carence » ?

Ny atao hoe « carence » dia tsy fahampiana singa na otrikaina eo amin’ny vatana izay tokony azo avy amin’ny sakafo na ny tontolo. Mety mitranga arak’izany ny hoe manao « carence » na hoe tsy ampy vitamina, minaraly na otrikaina hafa. Mazava ho azy fa mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana ny « carences ». Miankina amin’ilay singa na otrikaina tsy ampy moa ny fisehon’izany eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana.
Inona avy ireo karazana « carences » mitranga matetika rehefa ririnina ?
Misy karazana « carences » miseho matetika kokoa rehefa ririnina nohon’ny fiovan’ny fahazarana ara-tsakafo sy ny toetry ny andro. Anisan’ireo fahita amin’izany ary ny tsy fahampiana :
-Vitamina D satria mihena ny hatetiky ny fitaniana andro rehefa vaninandro ririnina toy izao. Lasa mihena ny famokaran’ny vatana vitamina D ara-boajanahary. Izany dia mety mitarika olana eo amin’ny fahasalaman’ny taolana sy ny fahalavorarian’ny hery fiarovana ;
-Vitamina C nohon’ny fihenan’ny fihinanana voankazo. Mety malaina kokoa isika mihinana voankazo rehefa mangatsiaka ny andro. Ny tsy fahampian’ny vitamina C nefa dia mety mamparefo ny hery fiarovana ;
-Fer raha toa ka tsy mihinana sakafo « variés » sy voalanjalanja tsara. Ny fer dia singa ilain’ny selan’ny rà ka ny tsy fahampiana izy io dia mety manakorontana na miteraka tsy fahatomombanana ara-pahasalamana maro ;
-Oméga-3 raha mihena ny fihinanana trondro matavy manankarena ity « acide gras » ity. Ny tsy fahampiana oméga-3 dia mety hiteraka olana samihafa eo amin’ny fahasalaman’ny fo sy ny atidoha.

Ahoana ny fomba fisehon’ny « carence » eo amin’ny olona iray ?

Miankina amin’ilay otrikaina tsy ampy eo amin’ny vatana ny fomba fisehon’ny « carence ». Anisan’ireo fambara mety ahafantarana « carence » ary ireto zaraina manaraka ireto.
-Tsy ampy vitamina D : malemilemy ny hozatra, vizaka, tratry ny fahaketrahana, malemy sy marefo ny taolana ;
-Tsy ampy vitamina C : reraka, malemilemy ny vatana sy ny hery fiarovana, mety mandeha rà ho azy ny hihy ;
-Tsy ampy fer : reraka, hatsatra ny hoditra sy ny « muqueuses », mora sempotra, fanina, mora tapaka ny hoho, mihintsana ny volo, kizitina ;
-Tsy ampy oméga-3 : maina ny hoditra, vakivavy ny volo, reraka, sahirana mifantoka, miovaova be ny toe-po.
Marihana fa mety ho soritr’aretina manambara olana ara-pahasalamana hafa ihany koa ireo fambara voalaza ireo. Tsara arak’izany ny manantona mpitsabo mba hahazo ny fizaham-pahasalamana sahaza. Mba hisorohana ny « carence » na tsy fahampiana otrikaina eo amin’ny vatana dia ilaina hatrany ny mihinana sakafo voalanjalanja, « variés » sy ara-pahasalamana, indrindra rehefa ririnina.

Lire la suite

Articles Similaires