Gripa : inona avy ireo fahasarotana ara-pahasalamana mety mitranga ?
Matetika ny gripa dia hevirana ho aretina « bégnigne » na hoe tsy misy atahorana be loatra. Raha tsy voatsabo ara-dalàna nefa izy io dia mety hiteraka fahasarotana ara-pahasalamana lalina, indrindra eo amin’ireo olona marefo. Andeha ary ho fantarina eto ireo fahasarotana ara-pahasalamana mety haterika ny gripa.
Fahasarotana ateraky ny gripa : olana eo amin’ny taovam-pisefoana
Ny olana eo amin’ny taovam-pisefoana no isan’ireo fahasarotana ara-pahasalamana matetika indrindra ateraky ny gripa. Ny « pneumonie virale primaire » no tena atahorana satria manafika mivantana ny avokavoka ilay viriosin’ny gripa. Izany dia mety mahatonga « détresse respiratoire sévère » na hoe mahasempotra ary mety mahafaty.
Ny « pneumonie bactérienne secondaire » no fahasoratana eo amin’ny taovam-pisefoana hafa vokatry ny gripa sy matetika miseho. Manararaotra ny farefoan’ny hery fiarovana nohon’ny gripa ireo « bactéries » hanafiana ny avokavoka. Mila fitsaboana amin’ny « antibiotiques » malaky ireo karazana « pneumonies » ireo.
Fahasarotana mahakasika ny fo
Mety hanafika ny fo ihany koa ny viriosin’ny gripa ka miteraka fahasarotana toy ny « myocardite ». Ity farany dia « inflammation » mahavoa ny hozatry ny fo. Anisan’ireo soritr’aretina mety mitranga ny fanaintainan’ny tratra, tsy avy miaina sy midobodoboka mafy ny fo (palpitations).
Eo amin’ireo tranga tena sarotra dia mety mahatonga « insuffisance cardiaque » izany. Ankoatra izay dia mampitombo ny « risques » hahavoan’ny « crises cardiaques » sy AVC ny fahasarotan’ny gripa eo amin’ireo olona efa misy aretin’ny fo sy ny lalandrà.
Fanamafiasana ireo areti-mitaiza sasany
Anisan’ny fahasarotana ara-pahasalamana hafa ateraky ny gripa ny fanamafisana ireo areti-mitaiza sasany ka mahatonga ireto farany sarotra fehezina. Eo amin’ny olona tratrany « maladies pulmonaires chroniques », toy ny sohika sy ny « maladie pulmonaire obstructive chronique » dia mety hampisy krizy lalina na « insuffisance respiratoire » ny gripa. Ny olona diabetika dia mety hanana fahasahiranana hifehy ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà. Mety hampihombo ny aretina eo amin’ireo manana aretin’ny voa ihany koa ny fahasarotan’ny gripa.
Ahoana ny atao hisorohana ny fahasarotan’ny gripa ?
Mifototra amin’ny fepetra roa lehibe ny fisorohana ireo mety ho fahasarotan’ny gripa :
-Ny fanaovana vaksiny fanefitry ny gripa. Ity vaksiny fanao isan-taona ity no isan’ny fomba mahomby indrindra hiadiana amin’ny gripa sy hisorohana ireo mety ho fahasarotana lalina aterak’ity otrikaretina ity. Marina fa tsy miaro 100% amin’ny gripa ny vaksiny, nefa kosa dia manalefaka ilay aretina ny fanaovana azy io.
-Ny fanajana ny ireo fihetsika sakana (gestes barrières). Ho fanampin’ny fanaovana vaksiny dia mila hajaina ihany koa ireo fihetsika sakana mba hamerana ny fiparitahan’ny gripa sy ny fahasarotana mety aterak’izany. Anisan’ireo fihetsika ireo ny fanasana tanana matetika, ny fanakonana ny vava sy orona amin’ny mosoara rehefa mievona na mikohoka, ny famoahana ny varavarankely hifameziven’ny rivotra ao an-trano, ny famerana ny fifampikasohana amin’ny olona marary… Tsy adinoina ny manantona mpitsabo raha toa ka maharitra maherin’ny herinandro ny gripa na raha tsikaritra fa mihombo ireo soritr’aretina.