Ampitoviana ireo « signes brailles » ampiasain’ny olona manana olana ara-pahitana eto Madagasikara
Nampitovy tadin-dokanga ireo mpisehatra rehetra eo amin'ny fanabeazana, mikasika ny fampiasana ny « braille », izay abidian’ireo olona manana olana ara-pahitana. Tapaka fa manomboka izao dia ny « signe braille » sy « code braille francophone universel » no hampiasaina eto Madagasikara.
Fanabeazana mampiaty
Notanterahina ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Antaninarenina, ny fanofanana ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana ireo olona manana olana ara-pahitana. Niompana tamin’ny fampiasana ny "signe braille universel", izany hoe : ny marika (litera, isa, mari-piatoana) « braille » izay mitovy endrika sy mitovy hevitra eran-tany, izany fiofanana izany. Ireo mpampianatra eny anivon'ny sekoly voatokana ho an’ny olona manana olana ara-pahitana (école spécialisée) sy ireo mpampianatra eny anivon'ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra sy ambaratonga faharoa fototra, avy amin’ny faritra miisa 8 manerana an’i Madagasikara no nisitraka izany. Manam-pahaizana avy any ivelany, ao anatin' ny "Fondation lego braille bricks", izay misehatra amin’ny fampitana fahalalana ho an'ireo manana olana ara-pahitana kosa, no nanome ny fiofanana. Tanjona ny hampitoviana ireo « signes brailles » ampiasaina eto Madagasikara, eo amin’ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana ireo olona manana olana ara-pahitana ampahany na tanteraka. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fanabeazana mampiaty eto amintsika ihany koa izao hetsika izao.
Fampitana fahalalana mahomby
Nandritra ity fotoana ity no nifanarahan’ireo minisitera telo misehatra amin'ny fampianarana, dia ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, ny ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ary ny ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika, niaraka tamin’ireo mpisehatra rehetra, fa manomboka izao dia ny « signe braille » sy « code braille francophone universel », izany hoe : ireo marika braille ampiasain’ireo firenena rehetra miteny frantsay, no ampiasaina eto Madagasikara.
Anisan’ny nozaraina nandritra ny fanofanana ihany koa ny fomba hanamorana sy hampahomby ny fampitana fahalalana amin'ireo mpianatra manana olana ara-pahitana, mba hahafahan’izy ireo misitraka fampianarana sy fanabeazana mitovy amin'ireo mpianatra hafa. Amin’izay dia ho afaka miatrika fanadinam-panjakana sy miditra amin'ny sehatry ny asa, toy ny olona rehetra izy ireo.
Mpiara-miombona antoka amin'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, nahafahana nanatontosa izao fiofanana izao, ny UNICEF sy ny "Fondation lego braille bricks". Nanomboka tamin’ny taona 2022 moa no nanohana ny fampiroboroboana ny fanabeazana mitovy ho an’ny rehetra, eto Madagasikara, ny UNICEF sy ny Fondation LEGO, amin’ny alalan’ny fanofanana ireo mpampianatra sy ny fampitaovana ireo sekoly.