Résultat Bac 2025 : Andrasana alohan'ny 21 aogositra ny valim-panadinana eto Antananarivo
Efa mitaintaina fatratra ireo mpiandry Résultat Bac 2025 eto Madagasikara. Ho an'ny eto Antananarivo manokana, efa vita soa aman-tsara ny fitsarana ireo taratasim-panadinan'ireo mpiadina.
Roa herinandro eo ho eo sisa dia hivoaka ny Résultat Bac 2025. Ho an'ny Oniversiten'Antananarivo, efa nanao fanambarana ireo tompon'andraikitra fa ny 20 na ny 21 Aogositra no hamoahana ny valim-panadinana. Efa misy lamina maty paika arahina mantsy amin'ny fanambarana ny naotin'ireo mpiadina. Koa satria samy manana ny fandaminany ny Oniversite tsirairay isaky ny renivohi-paritany, mety hisy Faritany hamoaka mialoha ny voka-panadinana.
Fandaminana mahomby
Nizotra tsara ny fitsarana ny fitsarana ny taratasim-panadinana ho an'ny teny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo. Efa nozaraina arakaraka ny isan'ny mpitsara fanadinana ireo "feuilles" notsaraina. Ireo "secrétaires" indray izao no tena miasa, amin'ny fandraketana ny naoty isaky ny taratasim-panadinana, sy ny fanambarana ny naotin'ireo mpiadina tsirairay. Amin'ny "délibération", anapahana ny salan'isa farany ambany hahafahana Bac 2025, vao hiasa indray ireo mpitsara fanadinana. Sady handray ny tambin-karamany izy ireo amin'izany andron'ny "délibération" izany.
Asaina ny mpanala fanadinana rehetra manerana ny Nosy, na sokajy Ankapobeny na Teknika, mba hiandry am-pitoniana ny Résultat Bac 2025.