« Alcoolisation fœtale » : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Ny « alcoolisation fœtale » no fiantsoana ny toe-javatra mitranga rehefa misotro toaka mandritra ny fitondrana vohoka ny reny. Ny toaka tokoa mantsy dia mety tafiditra ao anatin’ny ahitra ary hampisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fahasalamana sy ny fitomboan’ny zaza ao an-kibo. ‘Ndeha ary ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « alcoolisation fœtale ».
Inona no atao hoe « alcoolisation fœtale » ?
Tafiditra ao anatin’ny atao hoe « alcoolisation fœtale » ny fitambaran’ireo « troubles » eo amin’ny zaza ao an-kibo vokatry ny fisotroan’ny bevohoka toaka. Voarakitra anatin’izany ny « syndrome d’alcoolisation fœtale » izay endriny mafy indrindra amin’ireo « troubles » ireo sy ny « troubles du spectre de l’alcoolisation fœtale ». Ireo « troubles » ireo dia mety hahavoa ny atidoha, ny taova, ny fitomboana eo amin’ny zaza ary koa hampisy tsy fahatomombanana eo amin’ny endriny (tarehy).
Ireo fiantraikany eo amin’ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka
Ny toaka dia manampoizina mivantana ireo sela miforona sy mitombo, indrindra ireo ao amin’ny atidoha. Anisan’ireo fiantraikan’ny « alcoolisation fœtale » eo amin’ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka ny :
-Fahatarana eo amin’ny fitomboana. Lasa kely noho ny ara-dalàna ny lanja sy ny halavan’ny zaza rehefa teraka ;
-« Troubles neurodéveloppementaux » toy ny « hyperactivité » ; fahasahiranana mianatra zavatra, olana eo amin’ny fitadidiana na ny fitondran-tena… ;
-« Anomalies faciales » na tsy fahatomombanana eo amin’ny tarehy, toy ny hoe manify ny molotra ambony, « fente palpébrale étroite »… ;
-Fahasembanana eo amin’ny taova, toy ny fo, ny voa, ny taolana…
Inona no maharatsy ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka ?
Tsy mitovy amin’ny olon-dehibe ny zaza ao am-bohoka satria tsy manana ireo « enzymes » ilaina amin’ny famoahana ny toaka ao amin’ny vatana izy ireo ka lasa mijanona ela ao anatiny izany. Etsy andaniny, ireo sela « en division rapide » dia mora andairan’ny fanapoizinan’ny toaka ka izay no mahatonga tsy fahatomombanana eo amin’ny fiforonana sy fitomboan’ny atidoha sy ireo taova lehibe hafa.
Fisorohana no fomba mahomby hiadiana amin’ny « alcoolisation fœtale »
Marihana fa tsy misy fetra azo antoka mikasika ny fisotroana toaka mandritra ny fitondrana vohoka. Vao misotro toaka fotsiny ny bevohoka, na kely aza, dia efa mety hisy vokadratsy eo amin’ny fitomboan’ny zaza ao am-bohoka. Ny azo antoka indrindra arak’izany dia ny fifadiana toaka tanteraka dieny ny mikasa hitoe-jaza sy mandritra ny fitondrana vohoka.