Ireo hevi-diso mikasika ny sakafon’ny zaza
Lohahevitra iray mahaliana sy mampametra-panontaniana eo amin’ny ray aman-dreny ny mikasika ny sakafon’ny zaza. Saropady izy io nefa dia maro ireo fihevitra diso voizina eny amin’ny fiarahamonina eny ka mety hisy vokadratsy maro eo amin’ny fahasalaman’izy ireny. Andeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo hevi-diso mikasaika ny sakafon’ny zaza sy ny ankizy izay tokony hatsahatra hatreto.
Mila fohazina ny zazamenavava mba hinono isaky ny adiny roa
Ny hevi-diso : Mila manaraka ora entitra ny fisakafoanan’ny zaza menavava. Tokony minono na misotro solon-dronono isaky ny adiny roa mba hahazo lanja. Ka fohaziny izy raha matory fa mila misakafo.
Ny tena marina : Amin’ny voalohany, indrindra raha teraka tsy tonga volana ny zazamenavava na sarotra mahazo lanja, dia mety asain’ny « pédiatre » homena nono na solon-dronono matetika izy, eny na amin’ny alina aza. Raha toa kosa ka salama sy mahazo lanja tsara ny zaza menavava dia tsara raha arahana ireo fambaran’anohanana eo aminy. Rehefa noana izy dia taitra ho azy ary mampahafantatra izany. Ilain’ny zaza amin’ny fitomboany tokoa mantsy ny torimaso ka tsy tokony fohazina izy hisakafo.
Tsy mitondra otrikaina tsara intsony ny rononon-dreny aorian’ny 6 volana
Ny hevi-diso : Rehefa feno 6 volana ny zaza dia mihena ny otrikaina entin’ny rononon-dreny eo aminy. Noho izany dia mila soloina solon-dronono no omena azy ho fanampin’ny sakafo.
Ny tena marina : Mijanona ho sakafo manankarena otrikaina hatrany ny rononon-dreny na dia efa feno 6 volana aza ny aza. Mbola manohy mitondra ireo otrikaina ilain’ny vatan’ny zaza hatrany izy io. Rehefa misakafo ny zaza dia tohizana omena rononon-dreny hatrany hatramin’ny faha 2 taonany na miankina amin’izay tian’ny zaza sy ny reny.
Matory tsara ny zaza rehefa asiana « céréales » anatin’ny solon-drononony alohan’ny hatory
Ny hevi-diso : Rehefa asiana « céréales » ao anatin’ny solon-dronono homena ny zaza alohan’ny hatory dia ho voky tsara izy ka hatory ela kokoa.
Ny tena marina : Miankina amin’ny fahamatoan’ny sain’ny zaza no mampatory azy tsara mandritra ny tontolo andro fa tsy ny habetsaky ny sakafo noaniny. Ny fanampiana « céréales » ao anatin’ny solon-drononony rehefa alohan’ny hatory dia mety hanavesatra ny vavony keliny sy ireo voa noho izy ireto farany mbola tsy matoy tsara.
Tsy azo asiana sira na siramamy ny sakafon’ny zazakely
Ny hevi-diso : Fihevi-diso ihany ny hoe tsy azo asiana sira na siramamy ny sakafon’ny zazakely vao manomboka misakafo.
Ny tena marina : Tsy fihevi-diso velively ny tsy anampiana sira na siramamy ny sakafon’ny zazakely vao manomboka misakafo. Efa misy sira voajanahary ao anatin’ny sakafo maro ka raha mihoatra izy io dia mety hanavesatra ny voan’ny zaza. Ny fihinanana sira be loatra ihany koa eo amin’ny zazakely dia mampitombo ny « risques » hampisy tosidrà rehefa lehibe. Ankoatra izay dia tsy ilaina ny manisy siramamy eo amin’ny voankazo sy legioma homena ny zaza satria efa ampy ny siramamy anatin’izy ireny. Manampy ny zaza tsy hizatra tsiro mamy loatra ihany koa izany.