• Cours de change
  • 5122.9 AR
  • |
  • $4432.9 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fondation Axian : « Kits scolaires » 1 000 isa no natolotra ho an’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram

07/08/2025 17:51 © Moov.Mg

Vanim-potoana iray isan’ny manahirana ny ray aman-dreny indrindra ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra. Vao mainka tena manahirana izany, ho an’ireo fianakaviana marefo. Mifanome tanana amin’ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) ny Fondation Axian, ka nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy marefo sahanin’ity ivon-toerana ity.

Ankizy kamboty sy marefo

Manana ivon-toeram-panabeazana miisa 4 ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) : ao Antaniavo Antohomadinika Antananarivo, Andakana Ambohidratrimo, Manakara, ary Sakoana Manakara. Ankizy kamboty sy sahirana izy ireo, amin’ny ankapobeny, izay toloran’ny « centre » fanabeazana ara-pahalalana sy ara-panahy. Raha ho an’ny ao Antaniavo Antohomadinika dia misy 200 izy ireo no taizaina eo anivon’ny FCRA, iantohana trano sy sakafo, araka ny fanazavan’atoa Paul Armand, mpandrindra ireo hetsika eo anivon’ity « centre » ity.

Ho fanohanana ny FCRA, amin’ny fanabeazana sy fanampiana atolony ho an’ireo olona marefo, dia nanome fitaovam-pianarana (Kits scolaires) ho an’ity ivon-toerana ity ny vondron’orinasa Axian, tamin’ny alalan’ny Fondation Axian, androany 7 aogositra 2025. Fitaovam-pianarana fototra, toy ny kahie sy penina, sahaza ho an’ny ankizy miisa 400, no nomen’ny Fondation Axian, nandritra izany. « Fanombohana ihany izao, fa maherin’ny 1 000 isa ireo zaza kamboty sy sahirana beazin’ny FCRA, no hisitraka fitaovam-pianarana, hoy Razakamanantsoa Jessica, tomponandraikitry ny fifandraisana amin'ny fiarahamonina (community relation manager) eo anivon'ny Axian.

Manohana ny sehatry ny fanabeazana

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetikasa sy ny asa firotsahana tanterahan’ny Fondation Axian ny fanohanana ny zaza izay tena sahirana sy ireo ray aman-dreniny, hoy hatrany ny fanazavana. Rehefa tonga ny fotoana fampidirana ny mpianatra, dia tena mitotototo ireo ray aman-dreny, ka fandraisana anjara ho fanamaivanana izany fahasahiranana izany izao notanterahina izao.

Efa-taona izao no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny vondrona Axian sy ny FCRA. Tsy ity ivon-toerana ity ihany no mahazo tohana, fa tafiditra ao anatin’ny tamberin’andraikitry ny vondrona ho an’ny fiarahamonina, amin’ny ankapobeny, ny fanohanana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Notsiahivin-dRazakamanantsoa Jessica, araka izany, fa mihoatra ny 140 ny sekoly naorina manerana an'i Madagasikara, tao anatin’ny tetikasan’ny Axian.

Lire la suite

Articles Similaires