• Cours de change
  • 5122.9 AR
  • |
  • $4432.9 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ravelomanantsoa Herizo : Mamelona ny fitiavana « bande dessinée » ao am-pon’ny Malagasy

07/08/2025 17:55 © Moov.Mg

Vanim-potoana nampiroborobo ny tantara an-tsary (Bande dessinée – BD) malagasy ny taona ’80 hatramin’ny taona ’90. Isan’ny nilomano tao anatin’izany, ary mbola tena ao anatiny tanteraka, Ravelomanantsoa Herizo, izay vao namoaka ny « BD Ravhrz » andiany faha-5, tamin’ny faramparan’iny volana jolay lasa teo iny.

Manan-talenta amin’ny lafin-javatra maro ny lehilahy : mpanao hosodoko matianina, mpiangaly ny « slam », mpanoratra tantara fandefa amin’ny onjam-peo sy boky, mpilalao any anaty TikTok, ary mpikarakara fifaninanana « jeux vidéo » ihany koa. Fa Ravelomanantsoa Herizo, na Ravhrz, ilay mpamorona tantara an-tsary, no tena tiana asongadina androany.

Mpanoratra tantara an-tsary

Araka ny fitantarany dia vao 10 taona tany ho any izy dia efa namorona ny tantara an-tsary keliny voalohany, izay « mbola tsy azo navoaka akory », hoy izy nitsiahy ny fitiavany sary. Mbola kely tokoa dia efa tafalatsaka tao anatin’izany fiangaliana sary izany izy. Ireo boky nalaza tamin’izany fotoanany,toa an-dry « Bobel », « Radanz », « Radamaranja »… no isan’ny namolavola ny fitiavany sary. Taty aoriana kely, dia nisy ny fandaharana natokana ho an’ny ankizy : « Club Dorothée », izay nandeha tamin’ny fahitalavitra, ary nampiroborobo ny « Manga », ka vao mainka nampivelatra ny fironany tany amin’ny sary.

Teo amin’ny faha-16 taonany, izany hoe : tany amin’ny taona 1990, no nanomboka nanoratra tantara an-tsary Ravelomanantsoa Herizo. « Navoaka gazety tamin’izany ny BD noforoniko », hoy izy mitantara. Taty aoriana moa, dia nataon-dRavelomanantsoa Herizo ho asa fitadiavam-bola mihitsy ny fanaovana sary, ka mpanao sary hosodoko matianina izy, nandritra ny taona maro. Ny teknika antsoina hoe : « hachure » no tena voiziny, izay toy ny kitsipitsipika entina mandrafitra ny endrika. « Ireo tera-tany vahiny no tena tia io karazana varatava (portrait) ataoko io. Ny hosodoko momba ny biby sy ny « paysage » kokoa no ataoko amin’izao, fa tsy dia manao sarin’olona loatra aho, noho izay antony izay », hoy ny fanazavany.

Tsy liana amin’ny tantara an-tsary ny tanora

Misedra olana ny famokarana tantara an-tsary amin’izao fotoana izao, raha mitaha amin’ny tamin’ny taona ’80 sy ’90. Araka ny fahitan-dRavelomanantsoa Herizo azy, dia tsy miraika firy amin’ny BD intsony ny ankizy sy ny tanora ankehitriny. Tsy liana amin’ny boky, amin’ny ankapobeny aza, fa variana amin’ireo karazana efijery (écran). « Soa fa mbola misy ireo olona efa niaina tamin’ny fotoana nampiroborobo ny BD, ary mbola manjifa izany », hoy izy. Mba hisintonana ny ankizy ankehitriny hitia mamaky tantara an-tsary indray, dia miezaka ny mampifandray ny tantara foroniny amin’ny filalaovany any anaty TikTok, miaraka amin’ireo mpampirona (influenceurs) malagasy, Ravelomanantsoa Herizo. Misy fiteny any anaty « Jeux vidéo » ihany koa, ampiasainy any anaty tantara an-tsary, mba hanintonana ireo mpilalao hitodika any amin’ny BD.

Amin’izao fotoana moa dia Ravelomanantsoa Herizo ihany no mamokatra ny bokiny, fa tsy misy mpanohana. Saika miaina tahaka izay daholo ireo mpanoratra tantara an-tsary tahaka azy, araka ny fanazavany. Izy ihany koa no mivarotra ireo sangan’asany. Azo atao ny mifandray aminy, amin’ny alalan’ny pejy Facebook-ny : « Raherizo Ravelomanana Ratsimba », na amin’ny WhatsApp : 0328506534.

Na izany aza, misy ihany ny fanantenana, satria efa misy ireo Malagasy mpanoratra « manga » amin’ny teny malagasy, hoy Ravelomanantsoa Herizo. « Mahafaly izany, satria mety hisokatra amin’ny fitiavana BD ihany ny tanora ankehitriny », araka ny nambarany.

Lire la suite

Articles Similaires