• Cours de change
  • 5135.46 AR
  • |
  • $4434.14 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo mety ho vokadratsin’ny tsy fanaovana didim-poitra

14/08/2025 11:24 © Moov.Mg

Ny ririnina toy izao no fotoana fanaovana ny didim-poitra na famorana eto amintsika. Tafiditra anatin’ny kolontsaintsika Malagasy moa izy io ary saika mandala azy io avokoa isika rehetra. Misy ihany nefa ireo voataonan’ny kolontsaina vahiny na koa ireo minia misafidy ny hanao famorana ny zanany. Inona ary ireo « risques » mety mitranga eo amin’ny olona tsy vita didim-poitra ?

Tsy vita didim-poitra : ireo mety ho « risques » eo amin’ny zazakely

Maro ireo mety ho « risques » miseho eo amin’ny zazalahy kely mbola tsy vita na tsy natao didim-poitra. Anisan’izany ny :

« Infections des voies urinaires »

Ambony kokoa ny « risques » hampisy « infections des voies urinaires » eo amin’ny zazakely tsy vita didim-poitra. Izany dia mety miteraka fanaviana sy soritr’aretina samihafa vokatry ny otrikaretina. Eo amin’ny tranga vitsy tsy voaray an-tanana ara-dalàna dia mety hiparitaka amin’ny vatana ny otrikaretina ka hiteraka fahasarotana ara-pahasalamana.

« Phimosis »

Eo amin’ny zazalahy kely sasany dia mety ho lasa matevina sy tsy mora mihemotra ny « prépuce », ary mety hanarona ny lohan’ny filahiana, ka izay no atao hoe « phimosis ». Mety miteraka aretina na otrikaretina ary anaintaina moa izany raha tsy voatsabo. Ny « prépuce » dia ilay hoditra kely manodidina ny lohan’ny filahiana. Izy io moa no esorina tanteraka na amin’ny ampahany mandritra ny famorana.

Ireo mety ho « risques » eo amin’ny lehibe tsy voafora

Mety misy ihany koa ireo vokadratsin’ny tsy fahavitana na tsy nanaovana didim-poitra eo amin’ny lehilahy lehibe :

Aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo

Araky ny vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizan’ny fahasalamana dia voalaza fa ambany kokoa ny « risques » ahazoana aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, toy ny VIH sy ny « herpès génital », eo amin’ireo lehilahy voafora. Tsy azo raisina ho fiarovana mahomby amin’ireo aretina kosa nefa izany fa ilaina hatrany ny manaraka ireo fomba fisorohana, toy ny fanaovana fimailo, fiarahana amin’ny olon-tokana…

Homamiadana

Marina fa isan’ireo homamiadana mahalana indrindra ny homamiadan’ny filahiana. Voambaran’ireo pikaroka kosa nefa fa somary ambony kokoa ny « risques » hahavoan’izy io eo amin’ireo lehilahy tsy vita didim-poitra. Araky ny fikarohana natao tany « Canada » dia voalaza ihany koa fa ambany kokoa ny « risques » hahavoan’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza eo amin’ny vadin’ireo lehilahy mifora.

Lire la suite

Articles Similaires