• Cours de change
  • 5135.46 AR
  • |
  • $4434.14 AR
Copyright Image : © Aroma Zone
Image
Fahasalamana&Sakafo

Misy rehoka ao amin’ny tenda : inona no atao ?

14/08/2025 14:41 © Moov.Mg

Toe-javatra isan’ny manelingelina sy tsy mampahazo aina ny fisian’ny rehoka miangona na tsy mety afaka ao amin’ny tenda. Miasa amin’ny fiarovana ny taovam-pisefoana moa izy ireny, nefa koa mety ho fambaran’aretina. Ahoana ary ny tokony atao raha misy rehoka ao amin’ny tenda ? Araho eto ny andinindininy amin’izany.

Inona ary avy aiza ny rehoka ?

Ny rehoka dia « mucus » vokarin’ny orona sy ny tenda isan’andro. Mitelina azy ireny isan’andro isika fa tsy tena mahatsikaritra izany. Izy ireny dia miaro antsika amin’ireo otrikaretina sy zavatra ivelany mety tafiditra ao amin’ny vatana avy eo amin’ny orona. Ankoatra izay dia manamandina ny lalan-drivotra sy ny lalan-kanina ihany koa izy ireo ary manafana ny rivotra fohantsika.
Raha misy otrikaretina, toy ny sery na gripa, dia mamokatra lelo sy rehoka betsaka kokoa ny orona hamoahana ireo « micro-organismes ». Noho izany dia lasa misy lelo, avy eo jenjina ny orona satria mibontsina ny « muqueuse nasale ». Lasa tsy tafavoaka eo amin’ny orona intsony ny lelo sy ny rehoka ka midina ao amin’ny tenda. Rehefa ao izy ireo dia mihamatevina ka izay no mahatonga ilay fahatsapana hoe misy rehoka miangona sy mibahana ao amin’ny tenda.

Ireo aretina na olana ara-pahasalamana mety mampisy rehoka ao amin’ny tenda

Maro ireo aretina mety mampisy na mampiangona rehoka ao anatin’ny tenda. Anisan’izany ny :
-Sery sy gripa ;
-« Bronchite » ;
-« Sinusite » ;
-« Pneumonie » ;
-Sohika ;
-« Allergies » ;
-Homamiadana sasany toy ny homamiadan’ny tenda na ny taovam-pisefoana.

Ahoana ny atao raha misy rehoka ao amin’ny tenda ?

Tsara hatrany ny manantona mpitsabo raha toa ka mahatsapa fa misy rehoka miangona na manelingelina ao amin’ny tenda. Ny mpitsabo no mamaritra ny antony mety mahatonga azy io ary manome ny fitsaboana sahaza izany.
Etsy andaniny, misy ihany koa ireo torohevitra manampy amin’ny fanesorana ny rehoka ao amin’ny tenda, azo ampiarahana amin’ny fitsaboana homen’ny mpitsabo :
-Misotro rano betsaka mba hampitsiranoka ny rehoka sy hahamora ny fivoahany ;
-Misotro dite voasary makirana sy tantely mba hampitoniana ny kohoka matavy sy hahamora ny famoahana ny rehoka. Tsara raha sotroina vao mifoha maraina, mbola tsy nisakafo ;
-Manisin-delo matetika mba hamerana ny habetsaky ny lelo sy ny rehoka midina ao amin’ny tenda.

Lire la suite

Articles Similaires