Fifidianana Loholona : Hotanterahina ny 11 desambra 2025, raha ny soso-kevitry ny CENI
Efa nandroso ny soso-keviny tamin’ny governemanta, ny amin’ny daty hanatanterahana ny fifidianana ireo ho Loholon’i Madagasikara, ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI), araka ny nambaran’ny filohany, androany, tany Mahajanga.
Manatanteraka atrikasa momba ny fanatsarana ny zotram-pifidianana ny Vaomieram-pirenena Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI), manomboka androany 27 ka hatramin’ny 29 aogositra 2025. Tanjon’ity atrikasa ity, araka ny fanazavan’ny filohan’ny CENI, Dama Arsène Andrianarisedo, ny fanaovana tomban’ezaka antsasa-dalana momba ny zotram-pifidianana, hijerena ny zava-bita sy ireo ezaka tsara hotohizina, fa ihany koa ireo risika mety hanohintohina ny zotram-pifidianana amin’ny manaraka.
Fanatsarana ny zotram-pifidianana
Mandray anjara amin’ity atrikasa ity ireo rantsamangaikan’ny CENI manerana an’i Madagasikara, avy amin’ny faritany 6, sy ireo solontenan’ny Faritra sy ny Distrika. Aorian’izao atrikasa izao dia hisy ny fandinihana ireo soso-kevitra avy amin’ny mpiantsehatra ara-pifdianana rehetra, izay haravona miaraka amin'ny tolo-kevitry ny CENI sy ny rantsa-mangaikany, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny CENI. Amin’ny taona 2026 kosa dia hiantso atrikasa eny anivon’ny faritany ny CENI, harahin’ny atrikasa nasiônaly, izay hatrehin’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny fifidianana. Amin’izany no hamaritana ireo tolo-kevitra tokony hotazonina momba ny fanatsarana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara, izay haroso amin’ny governemanta sy ny parlemanta.
Tapitra fe-potoam-piasana
Sambany moa eto amintsika no anatanterahana atrikasa fanaovana tombana anatiny tahaka izao ataon’ny CENI any Mahajanga izao. Nandritra ny fotoam-panokafana androany no nanambaran’ny Filohan’ny CENI, Dama Andrianarisedo, fa araka ny tetiandrom-pifidianana naroson’ny CENI, izay andrasana ny fankatoavan’ny eo anivon’ny governemanta, dia ny 11 desambra 2025 no hanatanterahana ny fifidianana loholona. Hifarana amin’io volana desambra ho avy io rahateo ny fe-potoam-piasan’ireo senatera am-perinasa amin’izao fotoana. Nilaza ny ho efa vonona amin’ny fiatrehana izany fifidianana izany ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana.