« Appendicite » : ireo sortir’aretina tokony hahamailo
Aretina vokatry ny fahatsentsenan’ny « appendice » ny « appendicite ». Ity farany dia « poche » iray mivoaka ny « côlon » eo ambanin’ny ilan-kibo havanana. Azo tsaboina tsara ny « appendicite » raha voary an-tanana mialoha. Raha taraiky kosa nefa izany dia mety ho vaky izy io ka hahatonga « infection » ao amin’ny kibo. Inona ary ireo fambaran’ny « appendicite » tokony hahamailo sy handrisika hanantona mpitsabo.
Soritr’aretin’ny « appendicite » : misy fanaviana malefaka
Isan’ireo soritr’aretina voalohan’ny « appendicite » ny fisian’ny fanaviana malefaka. Amin’ny ankapobeny dia eo anelanelan’ny 37,8° sy 38,5° ny hafanana. Mety miakatra tsikelikely moa io fanaviana io raha mihombo ilay aretina. Etsy andaniny, mety hahatsiaro mangatsiaka kely ihany koa ilay marary vokatr’ilay fanaviana.
Misy manaintaina eo amin’ny faritra manokana ao amin’ny kibo
Soritr’aretina iray hafa manambara « appendicite » ka tokony hahamailo ny fanaintainana ao amin’ny kibo. Matetika izy io ao ambanin’ny vavony, amin’ny ilany ankavanana no manindrona marary. Amin’ny ankapobeny dia mitranga tampoka io fanaintainana io. Mety manomboka eo amin’ny manodidina ny foitra ihany koa izany ary midina mankany ambanin’ny kibo havanana. Mihamafy io fahatsapana marary io afaka ora vitsy aorian’ny niantombohany ary vao maika miha tsy zaka rehefa mamindra, mikohoka na mievona.
Mienjana sy mafy ny kibo rehefa tsapaina
Fambara hafa fahita eo amin’ny olona misy « appendicite » ihany koa ny hoe mafimafy sy toy ny mienjana ny kibo rehefa tsapaina. Izany hoe tsy « souple » toy ny mahazatra ny kibo. Eo amin’ny faritra ambanin’ny kibo havanana moa no tena tsikaritra izy io, izany hoe eo amin’ilay misy « appendicite ».
Maloiloy, mandoa, malain-komana
Soritr’aretina matetika fahita eo amin’ny olona tratry ny fanampoizinana ara-tsakafo ny hoe maloiloy sy mandoa. Noho izany antony izany dia sarotra ny manavaka ny « appendicite » amin’ny fanampoizinana ara-tsakafo. Raha toa kosa mbola mahatsapa manaintaina mandritra ny fotoana maharitra rehefa avy mandoa dia mety midika izany fa « appendicite » no mahazo ilay olona.