• Cours de change
  • 5184.07 AR
  • |
  • $4448.51 AR
Copyright Image : © Unicef
Image
Vaovao

Homamiadan’ny vozon-tranonjaza : Vaksiny « anti-HPV » 547 070 daozy no tonga eto Madagasikara

17/09/2025 07:07 © Moov.Mg

Mety hisoko mangina ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza. Azo sorohina tsara amin’ny alalan’ny vaksiny anefa izany aretina izany. Tonga omaly teto Madagasikara ireo andiana vaksiny voalohany entina miady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza.

Hetsika fanaovam-baksiny

Daozina vaksiny « anti-HPV » 547 070 isa no noraisina teny amin’ny trano fitahirizana vaksinin’ny fandaharan'asa fanaovam-baksiny faobe (PEV) eny Ivato, omaly 16 septambra 2025. Mbola hisy daozy hafa ho tonga eto Madagasikara ato ho ato, ka 2,2 tapitrisa no ho totalin’izany. Tohana avy amin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) sy ny Alliance Gavi no nahafahana nahazo izao vaksiny entina miady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza izao.

Hisy hetsika fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza moa, hotanterahina eto Madagasikara ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra izao. Ireo tovovavikely 9 hatramin'ny 14 taona, mbola tsy niroso tamin’ny firaisana ara-nofo, no voakasik’izany. Any amin’ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB) rehetra manerana ny Nosy no hanatanterahana ny hetsika.

Homamiadana mateti-pitranga

Araka ny voalaza tao anatin’ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra tamin’ny 28 aogositra 2024, izay nankatoavana ny fampidirana ny vaksiny « anti-HPV » eto Madagasikara, dia ny homamiadan'ny vozon-tranon-jaza no homamiadana faharoa voatily betsaka indrindra eny amin'ireo hopitaly eto amintsika, aorian'ny homamiadan'ny nono. Aretina misoko mangina mantsy ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza. Ny HPV (Human Papillomavirus), izay mitarika azy, dia karazana virosy fahita mahazatra, mora mifindra amin’ny alalan’ny fifampikasohana eo amin’ny hoditra sy ny hodi-mando (mucose), ka matetika no mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ara-nofo. Izany indrindra no antony hanaovana vaksiny ireo zazavavy 9 hatramin'ny 14 taona, izay mbola tsy nanao firaisana ara-nofo mihitsy. Mahaaro hatramin’ny 90%-n’ireo trangana homamiadan’ny vozon-tranonjaza ny vaksiny « anti-HPV », hoy ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fahasalamana (OMS).

Lire la suite

Articles Similaires