Ovy endasina : fikafika mba hampikarepoka sy tsy hampalemy azy
Hafa mihintsy ny mihinana ovy endasina na ovy frity mikarepoka tsara. Matetika tokoa mantsy, rehefa tsy hay tsara ny mikarakara azy io dia toa malemilemy sy mahafa-po izy io. Atoro eto ary ireo torohevitra sy dingana harahana raha hanao ovy endasina mikarepoka tsara sy tsy lasa malemy.
Ovy endasina mikarepoka sy tsy mora malemy : fidiana tsara ny ovy ampiasaina
Alohan’ny hanombohana ny fikarakarana dia tena ilaina ny misafidy tsara ny karazana ovy ampiasaina. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny « texture » an’ireo ovy frity tokoa mantsy izany. Raha ny eto amintsika manokana dia ny ovy meva sy ny ovy fotsy no tsara safidiana raha hanao ovy endasina. Mitahiry « amidon » amin’ny tahany ambony kokoa izy ireo ka mahatonga azy mikarepoka kokoa rehefa voaendy.
Ireo dingana tsara arahana amin’ny fikarakarana ny ovy endasina
Rehefa voavidy ireo ovy ho endasina dia miditra amin’ny fikarakarana azy :
Sasana tsara ny ovy mba hiala ireo vovoka rehetra. Rehefa vita izay dia voasana ary tetehana lavalava, tokony eo ho eo amin’ny 1 sm ny sakany. Ezahana mitovy ny tetik’izy ireo mba hiara masaka. Tsy atao matevina loatra manjary lasa malemy ny ao anatiny.
Rehefa voatetika ny ovy dia kobanina amin’ny rano mangatsiaka mba hiala ny « amidon » mihoatra. Tena ilaina ity dingana ity mba hahazoana ovy frity mikarepoka. Aorian’izay dia hamainina tsara ireo ovy. Ny hamandoana dia manakana azy tsy hikarepoka tsara araka ny ilaina azy. Azo hamainina amin’ny lamba madio na amin’ny « papier absorbant ».
Torohevitra hampahomby ny fanamasahana azy
Dingana iray lehibe miantoka ny fahazoana ovy endasina mikarepoka tsara ny fanamasahana azy. Anisan’ny fomba mahomby ny anamasahana indroa ny ovy. Izany hoe somary andrahoina kely amin’ny rano na amin’ny entona mandritra ny 7 na 8 minitra aloha ny ovy voatetika mba ho somary malefaka ny ivelany ary mijanona mafimafy ny ao anatiny. Avela hitsiaka sy ho maina mandritra ny 5 minitra izay vao endasina amin’ny menaka mamay tsara.
Fanamarihana :
Rehefa manendy ny ovy dia endrasana mamay tsara ny menaka. Alefa tsikelikely ny ovy endasina satria lasa tsy mikarepoka tsara izy ireo raha atao be am-patana. Rehefa mahazo loko ny ovy dia loharana fa tsy avela ho mendy loatra.