Ireo torohevitra manampy hikoloana ny fahasalaman’ny fo
Ny aretin’ny fo sy ny lalandrà no antony voalohany mahafaty olona indrindra maneran-tany. Mba hampihena ny « risques » hahavoan’izy ireny dia ilaina ny mikolokolo ny fahasalaman’ny fo. Araho eto ary ireo fahazarana tsara hampiarina hanatanterahana izany.
Fikoloana ny fahasalaman’ny fo : mihinana sakafo voalanjalanja
Isan’ireo fomba voalohany manampy amin’ny fikoloana ny fahasalaman’ny fo ny fizarana mihinana sakafo voalanjalanja sy ara-pahasalamana. Ny voankazo, legioma ary ny « céréales complètes » no tena tsara hoanina betsaka isaky ny misakafo. Ankoatra izay dia misy ireo fitandremana tsara atao, toy ny famerana ny fihinanana sira, menaka avy amin’ny biby, sakafo voahodina, « charcuteries »… noho izy ireo mandrisika ny fiakaran’ny tosidrà.
Manao fanatanjahantena matetika
Manampy betsaka amin’ny fitandrovana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà ny fampihetsiketseham-batana matetika. Isan’andro dia mila mandeha tongotra 30 minitra na manao fanatanjahantena. Izany dia mba handrisihana ny fikorian’ny rà sy mba handanjalanjana ny tosidrà.
Miala sigara tanteraka
Ny fifohana sigara no isan’ireo anton-javatra voalohany mampitombo ny « risque » hahavoan’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà. Mampiakatra ny tosidrà izy io nefa mampihena ny fahazoan’ny vatana « oxygène ». Ankoatra izay, ny setro-tsigara dia mahatonga fiangonan’ny « caillots sanguins » sy « plaque » ao anatin’ny lalandrà. Izany dia mety mitarika « crise cardiaque ».
Ferana ny fisotroana toaka
Ny fisotroana toaka be loatra ihany koa dia mampitombo ny « risque » hahavoan’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà. Marina fa tsy dia misy atahorana loatra ny fisotroana toaka indraindray dia voamarina fa ny fisotroana be loatra kosa dia mety mampisy olana eo amin’ny fo sy ny lalandrà. Mampiakatra ny tosidrà, mety hahatonga « fibrillation auriculaire » sy aretin’ny fo hafa moa izany.