Fahasalamana : ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana tongolo gasy
Re matetika eny amin’ny fiarahamonina eny ny hoe « mahasalama ny fihinanana tongolo gasy ». Mitahiry singa maro ilain’ny vatana sy mikolo ny fahasalamana izy io. Andeha ary ho resahana eto ny santionany amin’ireo vokatsoa ara-pahasalamana azo avy amin’ny fizarana mihinana tongolo gasy.
Tongolo gasy : manampy amin’ny fikoloana ny fo sy ny lalandrà
Mitondra vokatsoa maro ho an’ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà ny tongolo gasy. Izy io dia mitahiry singa atao hoe « allicine », izay manana fiasa afaka manampy amin’ny fampihenana ny tahan’ny « cholestérol » ratsy sy ny « triglycérides ». Ankoatra izay dia manampy amin’ny fampidinana ny tosidrà sy ny fanatsarana ny fikorian’ny rà izy io singa io. Izany dia mampihena ny « risques » hahavoan’ny aretin’ny fo sy ny lalandrà toy ny « crises cardiaques » sy ny fahatapahan’ny lalandrà ao amin’ny loha na AVC.
Miaro ireo sela ary miady amin’ny « inflammation »
Manankarena « antioxydants » ny tongolo gasy. Ireo « antioxydants » ireo dia miaro ireo selan’ny vatana amin’ireo fahasimbana ateraky ny « radicaux libres ». Ireto farany tokoa mantsy dia mety mandrisika ny fahanterana aloha loatra an’ireo sela sy mahatonga ny fiforonan’ny areti-mitaiza. Etsy andaniny, ny « composés soufrés » ao anatin’ny tongolo gasy dia mahatonga azy hanana fiasa « anti-inflammatoires », izay mety manampy amin’ny fampitoniana ny aretina toy ny « arthrite ».
Mampatanjaka ny hery fiarovana
Ny tongolo gasy ihany koa dia mandray anjara amin’ny fanamafisana ny hery fiarovana. Mananana fiasa « antibactériennes » sy « antivirales » izay manampy ny vatana hiady amin’ireo otrikaretina toy ny sery sy ny gripa. Ny fihinanana azy io matetika dia mety mampihena ny hatetika sy ny fahasarotan’ireo otrikaretina ireo.
Miaro amin’ny homamiadana sasany
Marina fa mbola an-dalam-pikarohana ireo manam-pahaizana mikasika ny fiasan’ny tongolo gasy eo amin’ny fiadiana amin’ny homamiadana. Efa misy kosa nefa ireo fikarohana manambara fa mety manampy amin’ny fisorohana ireo homamiadana sasany, toy ny homamiadan’ny vavony, ny « côlon » sy ny « rectum » ity akora natoraly ity. Ireo singa « bioactifs » ao aminy dia mety hanakana ny fihombon’ireo « cellules cancéreuses ».
Ahoana ny fomba fihinanana ny tongolo gasy ?
Mba hisitrahana ireo vokatsoa azo avy amin’ny fihinanana tongolo gasy dia tsara raha hoanina manta izy io. Ny « allicine », izay singa tena miasa ao aminy, dia miforona rehefa voatoto na voatetika ny tongolo gasy. Azo atao amin’ny lasary izy manta io mba hahazoana vokatra tsara. Azo atao ihany koa ny mitelina hasiny iray amin’ny rano iray vera, alohan’ny hisakafoanana maraina. Raha masahana miaraka amin’ny sakafo ny tongolo gasy dia tsara raha avela hipetraka kely aloha izy voatoto na voatetika iny vao handrahoina.