Aretina tetanosy : ireo tsara fantatra mikasik’izany
Aretina iray isan’ny sarotra tokoa ny « tétanos » na tetanosy. Ny fanaovana vaksiny no fanefitra azo antoka indrindra hiadiana amin’izy io. Mahery vaika ny soritr’aretina aterak’ity aretina ity ka mety mitarika amin’ny fahafatesana raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Andeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny aretina tetanosy.
Inona no atao hoe aretina tetanosy ?
Ny tetanosy na « tétanos » dia aretina vokatry ny bakteria atao hoe « Clostridium tetani ». Ao amin’ny tany na ny maloto (excréments) no misy io bakteria io. Avy amin’ny « spores » eo amin’ny ratra, na dia ratra kely aza, no miditra izy io ary manafika ny « système nerveux ». Izany dia mitarika « spasmes musculaires » mafy, fanintona ary fahasahiranana miaina sy mitelina.
Ny fomba fifindran’ny tetanosy
Hita eny amin’ny tontolo rehetra eny ny bakteria « Clostridium tetani », indrindra eo amin’ny tany, ny vovoka sy ny maloto. Ireo « spores »-n’izy ireo no mitsofoka ao amin’ny vatana avy eo amin’ny ratra, tataka, kiaka, tsindrona na nandritra ny fandidiana, kaikitry ny biby na koa fiterahana tsy ara-dalàna. Tsy mifindra eo amin’ny olona samy olona ny aretina tetanosy.
Ireo soritr’aretina
Eo ho eo amin’ny 3 sy 21 andro taorian’ny nahazoana ny aretina no miseho ireo soritr’aretina. Anisan’ireo fambara mety mitranga ny :
-« Trismus », izany hoe fahasahiranana na tsy fahavitana manokatra vava vokatry ny « spasmes » eo amin’ny hozatry ny valanorano ;
-« Spasmes musculaires ». Mihenjana marary ny hozatra, indrindra ny eo amin’ny lamosina, ny kibo sy ny rantsam-batana. Ny fanairana toy ny tabataba sy ny hazavana no isany mampihetsika ireo « spasmes musculaires » ireo ;
-Mifanintona ;
-Sahirana mitelina sy miaina ary mety ho sempotra ;
-Fambara hafa toy ny hoe marary andoha, manavy, tsemboka, miakatra ny tosidrà, mitempo malaky be ny fo.
Ny fisorohana sy fitsaboana ny tetanosy
Ny fanaovana vaksiny no fomba mahomby sy azo antoka indrindra hisorohana ny tetanosy. Amporisihana arak’izany ny fanaovana vaksiny fanefitry ny tetanosy eo amin’ny ankizy kely ary tsy adinoina ny manao ny « rappels » matetika, toy eo amin’ny faha 25, 45 sy 65 taona. Avy eo isaky ny 10 taona. Ankoatra izay dia mila diovina tsara ny ratra mba hampihena ny « risques » hahazoana ny aretina.
Ny fitsaboana ny tetanosy dia mila « hospitalisation » na fandraisana an-tanana any amin’ny toeram-pitsaboana noho ny maha aretina sarotra sy mahery vaika azy io.