• Cours de change
  • 5172.59 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Reny&Zaza

Zazakely mikohoka amin’ny alina : inona no atao ?

30/09/2025 11:47 © Moov.Mg

Isan’ny zavatra mampitaintaina ny ray aman-dreny ny mahita ny zazakely mikohoka be amin’ny alina. Indraindray, mety manaitra azy amin’ny torimasony na mampandoa azy mihintsy moa izany. Ilaina ny mahafantatra ny antony mety mampikohoka ny zaza amin’ny alina, ny tokony atao hampitony izany ary oviana no tokony manantona mpitsabo.

Ireo antony mety mahatonga ny zaza hikohoka amin’ny alina

« Réflexe » ara-boajanahary ataon’ny vatana hiarovana ny taovam-pisefoana ny kohoka. Manampy amin’ny famoahana ny « mucus », ny « agents irritants » na ny « corps étrangers » izy io. Eo amin’ny zazakely, dia misy ireo anton-javatra sasany mampikohoka azy kokoa rehefa matory amin’ny alina, anisan’izany ny :
-Fatoriana mitsilany izay manamora ny fidinan’ny lelo mankany amin’ny tenda ka mampikohoka ny zaza ;
-Rivotra maina na ny efitrano fatoriana mafana be loatra dia manamaina ny « muqueuses » ka mahatonga ireto farany ho « sensibles » ;
-« Bronchiolite », « rhinopharyngite », « allergie », « reflux gastro-œsophagien ».
Amin’ny tranga sasany moa dia mety ho fambarana sohika eo amin’ny zazakely ny kohoka amin’ny alina. Miseho amin’ny koho-maina, tsy misy fanaviana, amin’ny alina ihany vao tena mitranga.

Ireo karazana kohoka eo amin’ny zazakely

Marihana fa misy karazany maro ireo kohoka eo amin’ny zazakely :
-Kohoka matavy na « toux grasse » izay miaraka amin’ny fisian’ny lelo na rehoka. Manampy amin’ny famoahana ny viriosy sy ny bakteria izy io ;
-Koho-maina na « toux sèche » izay « irritative ». Matetika izy io dia avy amin’ny « inflammation », sohika… ;
-« Toux rauque » na « aboyant » izay mety avy amin’ny « laryngite ».
Mila arahi-maso hatrany ireo soritr’aretina hafa mety miseho miaraka amin’izany, toy ny fanaviana, fahasahiranana miaina (respirer), malain-komana, fikorontanan’ny torimaso… Manampy amin’ny fandraisana an-tanana ny zaza ataon’ny mpitsabo ny fahafantarana ireo fambara ireo.

Ahoana ny hampitoniana ny kohoky ny zaza amin’ny alina ?

Misy ireo fihetsika tsotra manampy mba hampitoniana ny kohoka eo amin’ny zazakely :
Mampiasa « humidificateur d’air » na asiana rano avy nangotraka ao amin’ny efitrano fatoriana mba ho « humidifié » ny rivotra ao ;
Ampihevohana entona malefaka ilay zaza, izany hoe tsy atao mievoka mivantana eo amin’ny rano mamay fa ohatra trotrona ao anaty efitra kelikely mihidy nasiana rano mafana tsara misy entona ;
-Omena ronono na rano tsara, miankina amin’ny taonany, ny zaza mba ho « fluides » ireo « mucosités » ;
-Atao somary mivohitra ny loham-pandriana hatoriany, ohatra hoe asiana ondana kely ao ambanin’ny kidoro ;
-Diovina matetika amin’ny « sérum physiologique » ny orony, indrindra rehefa alohan’ny hatory ;
-Ferana ireo zavatra « irritants », toy ny setro-tsigara, vokatra fanadiovana ao an-trano misy akora simika, « acariens »…

Oviana no manantona mpitsabo ?

Mila entina any amin’ny mpitsabo avy hatrany ny zaza mikohoka amin’ny alina raha toa ka :
-Maharitra mihoatra ny 7 andro ny kohoka ;
-Latsaky ny 3 volana ilay zaza ;
-Misioka ny « respiration », mangana ny molotra, manavy ;
-Tsy mety misakafo na misotro rano ;
-Mandoa matetika rehefa avy mikohoka.

Lire la suite

Articles Similaires