• Cours de change
  • 258.35 AR
  • |
  • $4462.47 AR
Copyright Image : © Voyage Madagascar
Image
Vaovao

Andro iraisampirenena : Nahemotra ny fankalazana ny andro ho an’ny « géodiversité »

06/10/2025 15:15 © Moov

Ankalazaina maneran-tany isaky ny 6 oktobra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny « géodiversité ». Nahemotra izany fankalazana izany, raha ny teto Madagasikara, izay tarihin’ny ivontoeram-pikarohana momba ny tontolo iainana sy ny harena an-kibon’ny tany, ao amin’ny Fakiolte ny siansa, ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo.

Fankalazana tsotsotra

Na dia tsy nisy fankalazana tamin’ny fomba ofisialy aza teto Madagasikara, androany, noho ny raharaham-pirenena izay mandalo olana dia niezaka ny hanao fankalazana amin’ny fomba tsotsotra ihany, ireo mpikarakara. Tamin’ity androany ity no namoahana ny raki-tsary ofisialin’ny fankalazana. Ireo mpianatra ao amin’ity ivontoerana ity ihany no nanatanteraka izany. Tanjon’ny raki-tsary ny hampahafantarana ny malagasy rehetra ny atao hoe « geodiversité ». Ity farany ity moa dia manambatra ireo harena an-kibon’ny tany azo trandrahina sy ireo harena ety ambonin’ny tany afaka hazahoana loharanom-bola. Mirakitra izany rehetra izany indrindra ny raki-tsary izay navoaka. « Ny ivontoeram-pikarohana momba ny tontolo iainana sy ny harena an-kibon’ny tany no nitondra ity fankalazana ity voalohany teto Madagasikara, ary tsy maintsy tohizana hatrany izany mba hahafahana manome lanja ny harenantsika. Ity raki-tsary ity aloha no afaka hatao fa ho avy ny hetsika lehibe », hoy i Docteur Souleman Ibrahim Andriamandimby, talen’io ivontoerana io. Marihina moa fa ny taona 2021 no nanomboka nankalazana ity andro iraisampirenena ity voalohany, rehefa nambaran’ny UNESCO fa mahafeno ny fepetra maha andro iraisampirenena azy izy.

Hetsika lehibe aoriana kely

Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao dia nihemotra amin’ny fotoana mbola tsy voafaritra ny fankalazana lehibe. Ho avy, hoy ireo mpikarakara ny famelabelaran-kevitra lehibe, izay hampahafantarana ny Malagasy rehetra ny harena hananan’i Madagasikara. Hisy ihany koa ao anatin’izany ny fampirantiana mikasika ireo harena an-kibon’ny tany toy ireo karazana vato sarobidy, sy ireo orinasa mpitrandraka eto Madagasikra. Ireto farany ireto izay ahitana ny fandraisana anjaran’ireo orinasa lehibe sy ireo mpitrandraka madinika. Hisy ihany koa ny fampahafantarana mikasika ity ivontoeram-pikarohana ity, eny anivon’ireo mpianatra amin’ny ambaratonga faharoa. Araka izany, nanome toky ireo mpikarakara fa tsy maintsy hisy ny fankalazana amin’ity taona 2025 ity.

Lire la suite

Articles Similaires