Olan’ny fahatapahan-jiro : Hanomboka rahampitso 7 oktobra ny fampiakarana ireo milina ao Toamasina
Hanomboka rahampitso talata 7 oktobra ny fitondrana ireo milina mpamokatra herinaratra, ao anatin’ny tetikasa 105MW, avy ao Toamasina, mankaty Antananarivo.
Fandaminana amin’ny fifamoivoizana
Noho izay asa fitaterana tsy maintsy hatao izay dia mety hisy fanelingelina ny lalam-pirenena faharoa. « Ampahafantarina ny be sy maro, ary indrindra isika mpampiasa sy manamorona ny Lalampirenena faha-02 na RN 2, fa noho ny fampiakarana ireo milina mpamokatra herin'aratra ao amin'ny Tetik'asa 105 MW, andiany voalohany, avy any Toamasina ho aty Antananarivo, dia hisy fanelingelenana ny fifamoivoizana amin'ny Talata 07 Oktobra hatramin'ny Alakamisy 09 Oktobra, izao », hoy ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy, androany. Ny talata 07 Oktobra dia ny ao Toamasina hatreo Brickaville no handalovan’ireo fitaovana amin'ny 5 Ora maraina hatramin'ny 6 Ora hariva. Toy izany ihany koa ny alarobia, manomboka eo Brickaville hatreo Moramanga ary alakamisy ho an’i Moramanga hatraty Antananarivo.
Marihina fa hisy fiara mpanokatra sy mpamarana ny dian'izany Vondron'ny fiara vaventy izany. Etsy ankilany dia hisy manampahefana mpitandro ny filaminana handrindra sy handamina ny fizotran’ny fitaterana. Miato kosa ireo fiara ireo amin’ny alina.
Fanomezana tosika ny herinaratra
Raha tsiahivina, efa tamin'ny volana mey 2023 no nilazana fa hapetraka ao Ambohimanambola ity milina lehibe mpihary herinaratra ity, ho fanomezana tosika ny filàna herinaratra ao anatin'ny tambajotra iraisan'Antananarivo. Natao izany mba hialana amin’ny fahatapahan-jiro lavareny. Nihemotra hatrany anefa ny fotoana hanombohana ny fananganana ny fotodrafitrasa. Isan'ny fanazavana efa nentin’ny avy eo anivon'ny ministeran'ny angovo sy ny akoranafo ny faharefoan’ny fotodrafitrasan’ny lalana. Efa vita tanteraka ny fanamafisana izany ka izao hiroso amin’ny fampiakarana ireto fitaovana ireto izao. Amin’ny ankapobeny dia milanja eo amin’ny 65 taonina eo ho eo avokoa ireo vondrona mpihary herinaratra sy ireo vondrona mpanova herinaratra ho taterina ireo. Fitaterana andiany voalohany ity ho atao ity ary andrasan’ny rehetra ny fitaterana ny fitaovana rehetra mba hahafahana manangana ny tetikasa.