Antenimierampirenena : Voafidy ireo Solombavambahoaka mandrafitra ny birao maharitra
Tafatsangana omaly 29 oktobra 2025 ny Birao Maharitra vaovaon'ny Antenimierampirenena, taorian'ny nahalany ho filohan'izany andrim-panjakana izany an-dRandrianasoloniaiko Siteny.
Feno ny birao maharitry ny Antenimierampirenena
Nanatanteraka fifidianana izay ho mpikambana handrafitra ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, omaly, ireo Solombavambahoakan'i Madagasikara, teny amin'ny Lapan'i Tsimbazaza. Ireto avy ireo voafidy ho filoha lefitry ny Antenimierampirenena nandritra izany : ho an'ny Faritanin'Antananarivo : Ralambozafimbololona Razafitsimialona Andriantsivoafetra, voafidy tao amin'ny Distrikan' Antananarivo V ; ho an'ny Faritanin'Antsiranana : Ibrahim Issa Charles, voafidy tao amin'ny Distrikan'Antsiranana I ; ho an'ny Faritanin'i Fianarantsoa : Andrianjanahary Fanomezantsoa, voafidy tao amin'ny Distrikan'i Manandriana ; ho an'ny Faritanin'i Mahajanga : Afakandro Christian, voafidy tao amin'ny Distrikan'i Mahajanga I ; ho an'ny Faritanin'i Toamasina : Razara Pierre Fidèle, voafidy tao amin'ny Distrikan' Ambatondrazaka ; ho an'ny Faritanin'i Toliara : Tsaradia Marco, voafidy tao amin'ny Distrikan'i Ampanihy.
Voafidy nandritra io andron'ny omaly io ihany koa ireo kestora sy ireo mpampaka-teny, ka voatendry ho kestora voalohany Randriamasinoro Tahiry Ny Rina, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'Antananarivo IV ; kestora faharoa, Rakotoarisoa Nirina Fenohery Johnny, voafidy tao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo ; ary kestora fahatelo i Mamihaja Charlot, voafidy tao amin'ny Distrikan'i Mananjary. Ny mpampaka-teny Jeneraly kosa dia Rakotoson Hubert, Solombavambahoaka voafidy tao amin'ny Distrikan'i Mahanoro ; raha toa ka Raharimanarivo Voahanginiaina Berthine, voafidy tao amin'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano, no mpampaka-teny jeneraly lefitra.
Mandrindra ny asan’ireo Solombavambahoaka
Raha tsiahivina, ny anjara asa fototry ny birao maharitry ny Antenimierampirenena dia ny fitantanana sy fandraisana fanapahan-kevitra ara-politika sy ara-pitantanana eo anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity, mandritra ny fe-potoam-piasan’ireo Solombavambahoaka voafidy. Mandrindra sy manara-maso ny asan’ireo Solombavambahoaka izy ireo, miantoka ny fandehan’ny asa ara-dalàna sy ara-pitsipika eo anivon’ny Antenimierampirenena. Izy ireo ihany ko no mandrindra ny fandaharam-potoanan’ny fivoriana sy ny fivoriambe iraisana. Ireo kestora no miandraikitra manokana ny raharaha momba ny fitantanam-bola, ny fifandraisana ivelany, ary ny mangarahara sy fitantanana tsara. Raha fintinina, amin’ny ankapobeny, dia manampy ny filohan’ny Antenimierampirenena amin’ny fanatanterahana ny andraikiny politika sy ara-pitantanana ny birao maharitra.


