• Cours de change
  • 5167.08 AR
  • |
  • $4493.57 AR
Copyright Image : © Siteny R
Image
Vaovao

Fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza : Niatrika fandidiana i Tojo

30/10/2025 11:45 © Moov

Fahombiazana ny fandidiana an'i Tojo tany amin'ny Nosy Maorisy. Antenaina araka izany ny tsy hisian'ny olana ara-pahasalamana intsony eo aminy, vokatry ny fanapoizinana.

4 volana aty aoriana, mbola tsy mivalona ny raharaha Ambohimalaza. Raha tsiahivina, ny sabotsy 14 jona no nisian'ny lanonana fankalazana tsingerintaona nahaterahana. Ny ampitson'io, ny alahady 15 jona, fetin'ny ray, no nanomboka nisesy ireo namoy ny ainy. Maherin'ny 30 ireo nindaosin'ny fahafatesana, izay saika tanora vao erotrerony avokoa.

Fitsaboana ireo sisa tsy maty

Nisy tamin'ireo voalaza fa sitrana no nanao "rechute" tampoka ka namoy ny ainy. Izany indrindra no nangatahin'ireo "sisa velona" fitsaboana any ivelany. Miisa 5 ireo nisitraka "Evacuation Sanitaire", ka i Tojomanana Rahamefy no noraisin'ny Fitondrana teo aloha an-tanana. Ireo efatra kosa dia niantohan'ireo "mpanohitra" teo aloha.
Niharatsy indray nefa ny fahasalaman'i Tojo, ka nanao antso avo tamin'ny alalan'ny Tambazotra sosialy ny tenany. Nitaraina izy fa mila tsy hahavoaka feo intsony. Nanapa-kevitra araka izany ny Fitondrana ankehitriny fa hamerina azy any Maorisy indray. Rehefa natao ny fizahana dia tsy maintsy niatrika fandidiana i Tojo.
Araka ny vaovao nampitain'ny Filohan'ny Antenimierampirenena, Siteny Randrianasoloniaiko, fahombiazana ilay fandidiana. Mbola mitohy nefa ny fitsaboana, mba hitandrovana ny ain'ny marary.

Fitsarana ireo voapanga

Mbola any am-ponja hatreto ireo rehetra voarohirohy amin'ity raharaha Ambohimalaza ity. Anisan'ireo andrasan'ny maro ny fanapahan'ny minisitra vaovao mikasika izany. Mbola tsy niakatra fitsarana mantsy ny raharaha, ary maro ireo manontany tena mikasika ny toerana misy an'ilay tompom-panasana, dia i Fenohasina. Na dia somary nangingina aza ireo fianakaviana noho ny toe-draharaha politika, mangataka hatrany ny hamoahana ny marina izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires