Fiandohan'ny herinandro : Ireo sakafo na zava-pisotro "manala makafoka"
Mifantoka amin'ny fialamboly sy ny fiaraha-misakafo amin'ny fianakaviana ny maro rehefa faran'ny herinandro. Mety misy araka izany ny fandraisana zava-pisotro mahamamo. Inona àry no tsara hanina na sotroina hanalàna makafoka ?
Te hatory, vizambizana, tsy mahalevon-kanina, malain-komana, sorisorena : anisan'ny tranga mahazatra ireo rehefa "makafoka". Ireto àry misy sakafo na zava-pisotro mety hanampy ampahazo aina indray.
Sakafo mafana be ranony
Lasopy legioma, lasopy atody na vary amin'anana no tsara hanina rehefa "makafoka". Asiana sakamalaho mba hamelombelon'aina tsara. Azo atao tsara ihany koa ny misafidy ny "Ravimbomanga misy patsa" ho laoka atoandro.
Atody
Very mandritra ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ny Vitamine B. Mila honerana izany otrikaina very izany, ka izany indrindra no hihinanana atody. Azo atao tsara ny mikarakara "oeuf sur plat" na "omelette", hanina miaraka amin'ny salade somary marikivy na mofo.
Rano na ranom-boankazo
Tsy maintsy misotro rano betsaka rehefa "makafoka". Ankoatr'izay, amporisihina ny fisotroana "jus de citron", atao mamy tsara. Iray vera ihany dia ampy. Azo atao ihany koa ny mihinana Vitamine C.
Tantely na Coca
Raha tena mahatsiaro reraka sy tsy ampy vovok'aina hiatrehana ny tontolo andro, azo atao tsara ny mihinana tantely : iray sotrokely. Mamelombelon'aina ihany koa ny "Coca", raha toa ka tsy manana olana amin'ny vavony.
Akondro
Raha maloiloy na manana fahasarotana amin'ny fandevonan-kanina, mahasoa ny fihinanana akondro. Manala ny mavesatra amin'ny vavony io voankazo io, sady mitondra "potassium".


