Fiankinan-doha amin’ny « jeu vidéo » : mila arahi-maso ny adolantsento
Hatramin’izay dia noraisina ho fialamboly tsotra toy ny rehetra ny « jeu vidéo ». Ankehitriny nefa dia voafaritra ho isan’ny olana ara-pahasalamana mila fandraisana an-tanana izy io, indrindra eo amin’ny adolantsento, noho izy mety mitarika fiankinan-doha. Araho eto ary ireo andinindininy tsara fantatra mikasik’izany.
Inona no atao hoe fiankinan-doha amin’ny « jeu vidéo » ?
Ny fiankinan-doha amin’ny « jeu vidéo » dia tsy mifantoka amin’ny fotoana laniana eo am-pilalaovana, fa amin’ny tsy fahafahana mifehy tena sy ny vokadratsy mety atarek’izany. Azo lazaina fa tratry ny fiankinan-doha amin’ny « jeu vidéo » ny olona iray raha toa ka :
-Tsy mahavita mifehy ny hatetika, ny hamafy na ny faharetan’ny filalaovana ilay « jeu » ;
-Ilay « jeu » no lasa laharam-pahamena sy mihabana indrindra manoloana ireo fialamboly hafa ary indrindra ireo asa aman’andraikitra tokony sahanina amin’ny andavanandro (fianarana, asa, fifandraisana amin’ny namana sy ny havana, fikarakaran-tena, torimaso) ;
-Fanohizana milalao ilay « jeu » ary mikatsaka mafy ny hahomby amin’ilay lalao na dia efa maro aza ireo vokadratsy hita sy tsapa aterak’izany.
Mba hahafahana manamarina fa tratry ny fiankinan-doha amin’ny « jeu vidéo » ny adolantsento na ny olona iray dia mila hita sy tsapa fa misy fiantraikany lehibe amin’ny fiainany io fihetsika io, na eo amin’ny lafiny ara-pianakaviana, fiarahamonina na fianarana. Ankoatra izay dia maharitra mandritra ny fotoana iray voafaritra (matetika 12 volana) izany.
Ireo fambara tokony hanaitra sy araha-maso
Mifototra amin’ny fandinihana ireo fiovana eo amin’ny fihetsika sy ny fihetseham-po an’ny adolantsento mpilalao « jeu vidéo » no ahafahana mahatsikaritra na mamantatra fa miankin-doha amin’ilay lalao izy :
Fiantraikany eo amin’ny fiainana andavanandro
-Lasa mitokatokana sy tsy tia mifanerasera amin’ny olona akaiky azy, toy ny namana, havana… Tsy liana na voasarika hanao fialamboly hafa ivelan’ilay « jeu vidéo » izy ;
-Mihena ny fifantohana amin’ny fianarana. Lasa midina ny vokatra any am-pianarana ;
-Tsy mahava-tena. Lasa tsy mazoto midio, tsy mihinana sakafo voalanjalanja, tsy manetsiketsika vatana fa miraikitra eo amin’ny « jeu ».
Ireo fisehony ara-tsaina sy ara-batana
-Lasa misy « symptômes de sevrage », toy ny hoe kizitina, mitebiteby, malahelo, tsy mahatombon-tsiraka… rehefa tsy afaka na tsy avela milalao ilay « jeu » ;
-Mampitombo hatrany ny fotoana hilalaovana mba hahatsapana ny fahafinaretana na ny hafaliana azony avy amin’ilay lalao ;
-Mikorontana ny torimaso. Lasa sarotra mahita tory na mifoha aloha be ;
-Miafina ao ambadik’ilay « jeu » rehefa te hitsoaka na hampitony ny fihetseham-po « négatives », ny olana na ny « traumatisme ».
Ny fisorohana sy fitsaboana azo atao
Maro ny ray aman-dreny no tsy mahafantatatra fa mety miteraka fiankinan-doha eo amin’ny ankizy sy ny adolantsento ny filalaovana « jeu vidéo ». Mba hisorohana izany dia mila safidiana ny « jeu » ataon’ny zanaka ka tokony ho mifanaraka amin’ny taonany no avela lalaoviny. Ankoatra izay dia ferana ny fotoana hahafany milalao ka tsy tokony hihoatra ny ora 1 izany ao anatin’ny 1 andro. Ho an’ireo mpianatra moa dia ferana indray mandeha isan-kerinandro ny fahafahana milalao. Mba ho fisorohana io fiankinan-doha io ihany koa dia ezahana ampanaovina fialamboly na « activités » hafa ivelan’ny « écrans » ny zanaka mba hahafahany mandanjalanja ny fotoana hilalaovany « jeu vidéo ».
Toy ny fiankinan-doha rehetra dia mifantoka amin’ny fanantonana mpitsabo manokana, toy ny « psychologue » na « psychiatre » ny fomba fitsaboana ny adolantsento misy fiankinan-doha amin’ny « jeu vidéo ». Zava-dehibe ny fandraisana an-tanana araka ny tokony ho izy io karazana « trouble » io satria raha terena hiala fotsiny izy dia mety hiteraka fahaketrahana eo aminy izany, ary mety ho tonga amin’ny famonoan-tena eo amin’ireo tranga efa « grave ».



