• Cours de change
  • 5111.35 AR
  • |
  • $4477.64 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Reradreraka ve ? Fantaro ireo legioma be « fer » tsara hoanina

07/11/2025 16:07 © Moov.Mg

Mandray anjara lehibe amin’ny fanomezana hery sy fahavitrihana ny vatantsika ny « fer ». Mandrisika ny famokarana « globules rouges » izy io ary manampy amin’ny fiadiana ny harerahana. Tsy ao anatin’ny hena ihany no misy « fer » fa ahitana azy io ihany koa ny legioma maro. Araho eto ary ireo karazana legioma tsara hoanina rehefa reradreraka sy mila « fer » iny ny vatana.

Ny « petits pois », sady misy « fer » no manankarena otrikaina

Vokatra sy mora be amin’izao ny « petits pois » eny an-tsena eny. Mbola vitsy no mahafantatra fa isan’ireo legioma mitahiry otrikaina sy mineraly maro ilain’ny vatana izy ireny. Tsara hoanina izy io rehefa reradreraka iny noho izy mitahiry « fer » amin’ny tahany ambony. Ankoatra izay dia manana fiasa « antioxydant », mitondra « protéine végétale » ao amin’ny vatana, be fibra ary manatsara ny fiasan’ny tsinay ny « petits pois ».

Ny persily

Efa tsy zoviana amin’ny maro intsony ny ilaina ny fihinanana matetika ny persily noho izy io mitondra vitamina sy otrikaina maro mikolokolo ny fahasalamana. Isan’ny afantaran’ny maro ny persily moa dia izy manankarena vitamina C sy « fer ». Tena mandaitra tokoa izy io amin’ny fampiakarana ny hery fiarovana sy amin’ny fanomezana hery ny vatana. Etsy andaniny dia manana fiasa « antioxydant » sy tsy be kaloria ny persily ka mety tsara ho an’ireo te hitazona ny vahana.

Ny « épinard »

Isan’ireo legioma ahitana « fer » amin’ny tahany ambony tokoa ny « épinard ». Ankoatra ny « fer » dia mitahiry karazana vitamina sy mineraly maro sy amin’ny fatrany ambony ihany koa izy io. Misy amin’ireo « antioxydant » hita ao amin’ny « épinard » no mitondra vokatsoa ho an’ny maso. Tsara hoanina ny « épinard » raha te hiady amin’ny harerahana ary indrindra raha te hikolo ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Manankarena fibra ary manampy amin’ny fisorohana areti-mitaiza maro izy io.

Lire la suite

Articles Similaires