Lake Village Ivato : Lasa fonenan'ireo Mpianatry ny Oniversite
Natolotry ny Fitondrana mijoro ankehitriny ho an'ireo mpianatry ny Oniversite, taona fahadimy no miakatra, ny Lake Village Ivato.
Eo ambany fitantanan'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ny Lake Village Ivato manomboka izao.
Cité vaovao ho an'ny mpianatra 700 eo ho eo
Anisan'ny fanamby napetraky ny Fiadidian'ny Fanavaozan'ny Repoblikan'i Madagasikara ny fanatsarana ny tontolon'ny fampianarana ambony. Tafiditra ao anatin'izany ny fijerena manokana ny trano fonenan'ireo mpianatra, izay sady efa mila fanamboarana no tsy mahazaka ireo mpianatra intsony.
Tamin'ity zoma 7 novambra ity, nidina ifotony teny amin'ny Lake Village Ivato ny ekipan'ny Fiadidian'ny Fanavaozan'ny Repoblikan'i Madagasikara, notarihin'ny Filoham-panjakana Colonel Mickael Randrianirina. Tamin'izany no nanambarana fa ireo mpianatry ny Oniversite, manomana Master II sy Doctorat no misitraka ny trano. Tsara ny manamarika fa miisa 135 ireo "appartements" eny an-toerana ka ireo no hifampizaran'ireo mpianatra. Nanambaran'ny Filoha fa ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa no hikarakara ny pitsopitsony rehetra mahakasika ny fizarana ny trano. Nohamafisiny ihany koa ny tsy fanekena ny kolikoly amin’ny endriny rehetra mandritry ny fizarana.
Tsy mbola nisy moa ny vola noraisin'ny Fanjakana tamin'ireo olona 280 saika hividy ireo trano ireo.



