Karate : Handray ny fiadiana ny tompon-dakan’i Madagasikara isam-bondrona ny Ligin'Analamanga
Hotanterahina ny 15 hatramin'ny 20 desambra, izao ny fiadiana ny ho tompon-dakan’i Madagasikara isam-bondrona amin'ny taranja Karate Do, izay hatao ao amin'ny Lapan'ny fanatanjahantena Mahamasina. Nambaran'ny avy ao amin'ny Ligin'Analamanga, nandritra ny fifampiresahana tamin'ny mpanao gazety, fa manomboka androany amin'ny fomba ofisialy ny fikarakarana izany.
Voalohany eto Madagasikara
Araka izany dia eto Antananarivo no hanatanterahana ity lalao ara-panatanjahantena ity, izany hoe ato anatin'ny Ligin'Analamanga. Handray anjara amin'izany kosa anefa ny Ligy rehetra manerana ny Nosy. Voalohany eto Madagasikara ity fifaninanam-pirenena isam-bondrona ity, raha natao ho an'ny isam-batan'olona izany hatrizay. " Vao ny taona 2024 ny Federasiona Iraisam-pirenena no nanapa-kevitra hizara roa ny fifaninanana, dia ny ho an'ny tsirairay sy ny isam-bondrona. Voalohany ity ho atao eto Analamanga ity ho an'i Madagasikara", hoy ny Filohan'ny Federasiona, Emile Ratefinanahary.
Tanjon'ny fifaninanana ihany koa, raha ny fanazavana dia ny hampandraisana anjara ny mpilalao rehetra manerana ny Nosy. Araka izany, tsy misy ny fetrisa amin'ny fifaninanana, ary tsy hisy ihany koa ny lanja farany ambony, izay efa lalàna mipetraka amin'ny fifaninanana isam-bondrona. Afaka mandray anjara kosa ny klioba rehetra mahafeno ny isa isaky ny vondrona. Afaka misoratra anarana amin'ny alalan'ny "section" ihany koa raha tsy mahafeno ny isa ny klioba, ary mbola azo atao ihany koa ny misoratra anarana amin'ny alalan'ny ligy. Notsindriana kosa fa safidy iray ihany no afaka hataon'ny vondrona iray.
Mihatsara toerana ny Karate Do malagasy
Amin'izao fotoana izao, hoy hatrany ny Filoha dia mihatsara hatrany ny toerana misy ity fanatanjahantena iray ity. Nanomboka ny taona 2024 i Madagasikara no nitondra medaly nody an-tanindrazana, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika, izay nahazoany medaly alimo iray, raha laharana fahadimy kosa ny solon-tena iray. Tamin’ity taona ity kosa dia miisa 8 ireo atleta voasafidy handray anjara amin’ny fiadiana ny tompon-daka maneran-tany.
Ao anatin’izany ezaka ho fanatsarana hatrany ity sehatra ity izany, nambara tamin’ny fomba ofisialy androany ihany koa ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny orinasa Yas Madagasikara amin’ny Federasiona. Tsy hisy fe-potoana izany ary nilaza ny avy ao amin’i Yas Madagasikara fa vonona hatrany hifanolo-tanana, mba hampiakarana ny lentan’ny fanatanjahan-tena. Ankoatra izay moa dia hiara-hiasa amin’ny Fondation HV sy ny Vaniala Madagasikara ihany koa ny Federasiona. Ity fifaninana ity, ihany koa raha ny fanamarihana dia natao hisafidianana sahady ireo atleta handray anjara amin’ny Fiadiana ny ho tompon-dakan’i Afrika 2026, izay ho tanterahina eto Madagasikara, ny 6 hatramin’ny 13 septambra 2026.



