• Cours de change
  • 5091.89 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Naître Et Grandir
Image
Reny&Zaza

Aretina tsitongandronono na « otite » eo amin’ny zaza :’ndeha ho resahana

18/11/2025 11:46 © Moov.Mg

Maro ireo karazana aretina mpahazo ny zaza sy ny ankizy na ny atao hoe « maladies infantiles », ka anisan’izany ny tsitongandronono na « otite ». Miseho amin’ny fanaintainan’ny sofina sy ny fisiana nana mivoaka eo amin’ity farany izany. ‘Ndeha ho fantarina ny atao hoe tsitongandronono, ny fisehony, ny fitsaboana ary ny fisorohana azo atao.

Inona no atao hoe tsitongandronono na « otite » ?

Aretina iray miseho ao anatin’ny sofina ny tsitongandronono. Azo avy amin’ny bakteria na viriosy izy io. Ny zaza latsaky ny 5 taona matetika no tena voan’izy io fa mety ho tratra ihany koa ny ankizy, tanora, olon-dehibe. Eo amin’ny zaza sy ny ankizy kely dia mbola fohy sy misokatra kokoa ny fantson’ny sofina atao hoe « trompe d’Eustache », hany ka mora idiran’ny otrikaretina. Tsy mifindra ny tsitongandronono ary azo sitranina tsara.

Ireo antony sy anton-javatra mety mahatonga ny tsitongandronono

Ny fidiran’ny bakteria na viriosy ao anatin’ny sofina no mahatonga ny tsitongandronono. Matetika dia ny sery sy ny gripa no mitarika azy io. Miainga avy any amin’ny orona ny otrikaretina ary tonga any amin’ny « trompe d’Eustache » ny tsiranoka misy bakteria na viriosy. Ankoatra izay dia misy ireo anton-javatra hafa, toy ny faharefon’ny hery fiarovana, ny fifohana sigara matetika akaikin’ny zazakely sy ny ankizy…

Ireo soritr’aretin’ny « otite »

Anisan’ireo soritr’aretina mitranga eo amin’ny zaza na ankizy voan’ny tsitongandronono ny hoe :
Kitihany na sintominy matetika ny sofiny satria manaintaina ;
Kizitina izy satria marary ny sofiny ;
-Manavy ;
-Misy nana na tsiranoka mivoaka eo amin’ny sofiny ;
-Malain-komana na tsy mazoto minono hoan’ny zaza mbola tsy misakafo.

Fitsabona sy fisorohana azo atao

Mila entina mpitsabo ny zaza na ny ankizy raha toa ka ahitana ny iray na ny maromaro amin’ireo fambara voalaza ireo. Ny mpitsabo no afaka manamarina fa tsitongandronono tokoa no mahazo azy na tsia. Izy ihany koa no mamaritra ny fitsaboana atao hanasitranana izany.
-Mba hisorohana ny aretina tsitongandronono eo amin’ny zaza sy ny ankizy dia :
-Rononon-dreny no omena ny zazakely mba hanamafisana ny hery fiarovany ;
-Diovina tsara ny oron’ny zaza sy ny ankizy rehefa voan’ny sery sy gripa ;
-Fadiana ny mifoka sigara akaikin’ny zaza sy ny ankizy.

Lire la suite

Articles Similaires