« Fuite de gaz » : loza tsy hita maso nefa hahafaty
Maro ny azo ampiasana ny « gaz » ao an-tokantrano : fatana, « chauffage », « chauffe-eau »… Mila fitandremana tsara nefa ny fampiasana azy io satria ny « fuite de gaz », na dia tsy hita maso aza, dia mety hitera-doza sy mahafaty mihintsy. Zava-dehibe ny fahatantarana ireo « risques » mety ateraky ny « fuites de gaz » mba hahafahana mifehy izany malaky sy hisorohana ny loza.
« Risque » lehibe mety ateraky ny « fuite de gaz » : fipoahana sy afo
Ny fipoahana sy ny afo no isan’ny loza lehibe mety ateraky ny « fuite de gaz » ao an-trano. Rehefa misy « gaz » tafavoaka tsy ara-dalàna dia lasa mifangaro amin’ny rivotra iainana izany. Raha mahatratra ny ivon’ny fatra mety mampirehitra azy ny rivotra dia mety hitarika fipoahana mahery vaika sy afo raha mifampikasoka amin’ny « étincelle », na kely dia kely aza ity farany. Anisan’ieo zavatra mety hampisy « étincelle » ny : fandefasana « interrupteur » na fitaovana mampiasa herinaratra hafa, ny fampirehetana zavatra toy ny sigara, labozia, afokasoka… Mety miteraka fahapotehana lehibe sy firehetan’ny trano ny fipoahan’ny « gaz », handratra ary mety hahafaty izay olona ao anatiny na akaikin’ny trano, fahasimban’ny fananana…
« Risque » ara-pahasalamana : fahasemporana sy fahapoizinana
Na dia tsy tonga amin’ny fipoahana aza ny « fuite de gaz » ao an-trano dia mety hiteraka olana lalina ara-pahasalamana izany. Anisan’ireo olana ara-pahasalamana mety mitranga ny fahasemporana avy amin’ny fijanonan’ny « gaz » eny amin’ny rivotra iainana. Mavesatra kokoa nohon’ny rivotra ny « gaz » ka mety hiangona, indrindra ao amin’ny toerana mihidy na mihiboka. Lasa mihena ny tahan’ny « oxygène » amin’ny rivotra ka lasa mahasempotra ireo olona ao an-toerana.
Ny olana ara-pahasalamana mety hitranga hiseho hafa dia ny fahapoizinana amin’ny « monoxyde de carbone ». Tsy ny « fuite de gaz » mivantana no mety mitarika azy io fa ny fisian’ny « gaz » mivoaka tsy ara-dalàna dia mety avy amin’ny tsy fahatomombanan’ny fitaovana ampiasana azy. Ny « combustion incomplète » dia mamokatra « monoxyde de carbone », « gaz » iray tsy misy fofona, tsy misy loko nefa tena manampoizina tokoa.
Ahoana ny fomba ahafantarana « fuite de gaz » ?
Misy ireo fambaran’ny « fuite de gaz » tokony hanaitra sy hahamailo. Anisan’izany ny :
-Fahenoana fofona « gaz » mahery sy tsy mahazatra ao an-trano ;
-Fisian’ny feo misioka avy eo amin’ny fitaovana ampiasana « gaz » ;
-Fisian’ny « bulles » raha toa ka mandalo rano ny fantsona mitondra « gaz » ao an-trano ;
-Fambara ara-batana, toy ny hoe marary an-doha tsy fantatra ny antony na maloiloy izay misinda ho azy rehefa mivoaka ivelan’ny trano. Mety ho fambarana fahapoizinana amin’ny « monoxyde de carbone » izany.
Inona no atao manoloana ny « fuite de gaz » ao an-trano ?
Ny zavatra atao avy hatrany raha misy « fuite de gaz » ao an-trano dia ny :
-manokatra ny varavarana sy ny varavarankely rehetra mba hampiparitaka ny « gaz » ;
-tandremana sy fadiana ireo zavatra rehetra mety hampisy « étincelle » na lelan’afo rehetra ;
-idiana ny fiavian’ny « gaz » amin’ilay fitaovana nampiasaina ;
-mivoaka malaky ny trano ary miala lavitra mihintsy ;
-tsy mikitika n’inon’inona amin’ny fitaovana mampiasa herinaratra ;
-miantso ny mpamonjy voina raha toa ka atahorana hitarika fipoahana na afo ny « fuite de gaz ».



