• Cours de change
  • 5115.71 AR
  • |
  • $4470.07 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « escarre »

03/12/2025 11:47 © Moov.Mg

Ny « escarre » dia fery sarotra eo amin’ny hoditra vokatry ny « pression » maharitra eo amin’ny vatana. Ny olona tsy afaka miarina eo am-pandriana, mampiasa « fauteuils roulants »… no tena tratran’izy. Manaintaina ary mety mitarika fahasarotana ny « escarre ». Ny fisorohana no fomba mahomby indrindra hiadiana amin’izy io. ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ny « escarre ».

Inona no atao hoe « escarre » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia fery eo amin’ny hoditra ny « escarre ». Vokatry ny « pression » maharitra eo amin’ny vatana no mahatonga azy io. Izany hoe rehefa voatsindry lava ny faritry ny hoditra iray eo amin’ny vatana dia lasa tsy mikorina tsara mankany amin’ireo « capillaires » ny rà. Lasa tsy ampy « oxygène » sy otrikaina intsony ireo « tissus » ny hoditra dia lasa maty ka izay no mitarika ny « escarre ».

Ireo anton-javatra lehibe mety mampisy « escarre »

Ankoatra ny tsy fahafahana miharina, mivadi-mandry na mihetsika dia misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mety mampisy « escarre ». Anisan’izany ny :
-« Incontinence » sy ny hamandoana. Ny hamandoana vokatry ny hatsembohana na ny « incontinence » (tsy fahatazomana pipy) dia manamasaka ny hoditra ka mahatonga ity farany marefo sy mora misy fery.
-Tsy fanjarian-tsakafo sy ny tsy fahampiana rano. Ny tsy fahampiana « protéines » sy vitamina ao amin’ny vatana dia manasarotra ny fahasitranan’ny fery ary mamparefo ny hoditra.
-Areti-mitaiza toy ny diabeta, ny « paraplégie, tétraplégie » sy ny olan’ny fikorian’ny rà dia mampihena ny fahafahan’ireo « tissus » anohitra ny fery sy ho mora sitrana.

Ireo dingana samihafa ny « escarre »

Mihombo manaraka dingana samihafa ny « escarre ». Miainga amin’ny faritra menamena eo amin’ny hoditra hatrany amin’ny fery lalina mahazo ny « tissus » izy io.
-Dingana 1 : Misy masaka tsy mety misinda eo amin’ny hoditra voatsindry lava. Mbola tsy maratra ny hoditra fa mivaramena eo amin’ilay faritra. Io no fambara voalohany tokony hahamailo.
-Dingana 2 : Misy miongotra kely ny ampahan’ny hoditra (derme). Miendrika toy ny hoe nisy poa-drano vaky, na mandoaka tsy lalina be, ilay « escarre ».
-Dingana 3 : Miala tanteraka ny « derme ». Tonga hatrany amin’ireo « tissus » ambanin’ny hoditra (eo amin’ny tavy) ilay fery. Tsy tazana ny hozatra, « tendons » na taolana.
-Dingana 4 : Afaka tanteraka ny hoditra eo amin’ilay faritra misy « escarre ». Tazana taolana, « tendons » na ny hozatra. Ambony ny « risques » hampisy otrikaretina eo amin’ny taolana.

Ny fisorohana no fomba hiadiana amin’ny « escarre »

Mifantoka amin’ny fisorohana ny fomba voalohany hiadiana amin’ny « escarre » eo amin’ireo olona ahiana ho mety voakasik’ity aretina ity. Anisan’ireo fisorohana atao ny hoe :
-Tsy avela ho voatsindry maharitra ny faritra manokana eo amin’ny vatan’ilay olona. Ovaovaina isaky ny adiny 2 na 4 ora ny fandriny raha toa izy ka tsy afaka miarina eo am-pandriana. Atao isaky ny adiny 1 ora kosa ny fanovaovana ny fipetraka ho an’ireo mampiasa « fauteuil roulant ».
-Jerena isan’andro ny hoditra. Ny faritra eo amin’ny lamosina, ny faladia, ny fitombenana sy ny kiho no tena jerena tsara sao sendra misy mivaramena tsy mety misinda.
-Tandremana tsara ny hamandoana sy ny fahadiovana. Mila sasana tsara sy hamainina tsara foana ny hoditra, tsy kosehana. Raha tratry ny « incontinence » ilay olona dia mampiasa ireo fitaovana manampy hiarovana ny hoditra tsy ho tratry ny pipy sy ny maloto.
-Sakafo ampy kaloria, « protéines » sy rano no hoanina tsara mba hitazomana ny « élasticité » ny hoditra sy ny fahafahan’ny hoditra ho sitrana raha sendra misy ratra.
Raha efa tratry ny « escarre » ny olona iray dia miompana amin’ny fampihenana ny « pression », fanesorana ireo « tissus » maty eo amin’ilay fery, fanadiovana ny fery, famerana ny « infection » ary fametahana « pansements » ny fitsaboana azy io.

Lire la suite

Articles Similaires