Aretina « Parkinson » eo amin’ny ankizy : ‘ndeha ho resahana
Amin’ny ankapobeny dia voafaritra ho isan’ireo aretina mifandray amin’ny fahanterana ny aretina « Parkinson ». Marihana nefa mety mitranga aloha izy io, indraindray alohan’ny faha 40 taona. Mety mahavoa ny adolantsento na ny ankizy ihany koa ity aretina ity na dia mahalana be aza izany. Andeha ary ho resahana eto ny mikasika ny aretina « Parkinson » eo amin’ny ankizy.
Inona no atao hoe aretina « Parkinson » eo amin’ny ankizy ?
Zava-dehibe ny fanavahana ny aretina « Parkinson » fahita eo amin’ny olon-dehibe sy ny « Parkinson » mahazo ny ankizy sy ny tanora. Matetika ity farany dia avy amin’ny fototarazo sy vokatry ny « mutations » manokana izay mitarika tsy fahatomombanana eo amin’ny famokarana na fitondrana ny « dopamine » ao amin’ny atidoha.
Ahoana ny fomba fisehon’ny aretina ?
Tsy mitovy amin’ny fisehon’ny « Parkinson » mahavoa ny olon-dehibe ny soritr’aretin’ny « Parkinson » eo amin’ny ankizy. Anisan’ireo fisehon’ity farany ny :
-« Bradykinésie/Akinésie ». Izany hoe ela sy mihena ny fihetsika (manana fahasarotana manatanteraka « mouvement »). Izy io moa no isan’ny fambara lehibe indrindra ;
-Fahatsapana mienjana na miziriziry ny hozatra ;
-Fangovitana rehefa tsy manao zavatra ;
-« Dystonie ». Soritr’aretina manokana izay matetika miseho dieny am-boalohan’ny aretina izy ity. Miseho amin’ny fomba fijoro (posture) tsy ara-dalàna na « crampes » manaintaina izy io, indrindra eo anivon’ny tongotra sy ny ranjo ;
-Tsy fahatomombanana eo amin’ny famindra. Mety hoe mandeha miadana kely, fohy ny famindra…
-Fambara hafa mahalana, toy ny fahaketrahana sy tebiteby, ratsy torimaso, fanaintainana vokatry ny fihenjanan’ny hozatra na avy amin’ny « dystonie ».
Fitsaboana
Mbola tsy misy ny fitsaboana hahafahana manasitrana ny « Parkinson » eo amin’ny ankizy. Mifantoka amin’ny fampitoniana ireo soritr’aretina sy amin’ny fanatsarana ny fomba fiaina ny fandraisana an-tanana ity aretina ity. Ho fanampin’ny fitsaboana ara-panafody dia misy ihany koa ireo « approche multidisciplinaire » atao, toy ny « kinésithérapie », « orthophonie », « Ergothérapie »…



