• Cours de change
  • 5190.88 AR
  • |
  • $4500.49 AR
Copyright Image : © Reko Band
Image
Vaovao

Tarika Reko : Hamoaka raki-peo misy hira 11, miaraka amin’ny fampisehoana hamaranana ny taona

11/12/2025 06:30 © Moov.Mg

Hanamarika ny fiafaran’ity taona 2025 ity ny fampisehoana hotontosain’ny tarika Reko eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, amin’ny 28 desambra ho avy izao. Fotoana hivoahan’ny raki-peon’izy ireo vaovao ihany koa io fotoana miavaka io.

Tarika Reko, andrasan’ireo mpankafy fatratra

Efa lany sahady ny tapakila famandrihan-toerana amin’ny sokajy « prime », « gold », « signature » ary « prestige » ho an’ity fampisehoana hotanterahin’ny tarika Reko ity. Manipika ny maha-manana ny maha-izy ny tarika izany, ary midika fa maro dia maro ireo mpankafy no efa miandry ny hiakaran-dry Fy Rasolofoniaina an-tsehatra indray.

Enina taona izay no nisian’ny tarika, efa maherin’ny 300 isa ny fampisehoana nataony ary efa nahavita nitety firenena indray mandeha izy efatra mirahalahy mandrafitra ny tarika, dia i Fy Rasolofoniaina, sady mpihira no mpitendry gitara akostika ; Zazah Maminiavo eo amin’ny apongamaroanaka ; Princia Razakamahefa eo amin’ny gitara elektrika ary Diary Razafimamonjiraibe eo amin’ny gitara beso. Niforona tamin’ny taona 2017 ny tarika ary ny gadona “Folk progressif” no tena lalaoviny. Azo lazaina ho ny tarika Reko mihitsy aza no nitondra ity gadona ity tao anatin’ny tontolon’ny mozika teto Madagasikara.

Raki-peo vaovao

Nisy, omaly 10 desambra 2025, ny fampahafantarana amin’ny fomba ôfisialy ny fampisehoana, narahin’ny fanolorana rangotsiaro (séance de dédicace) ho an’ireo mpankafy, no sady nandraisana sahady ny kaomandy ho an’ireo izay maniry ny hahazo voalohany ilay raki-peo havoaka amin’ny fotoanan’ny fampisehoana. Hira 11 no voarakitra ao anatin’izany, izay tsy hiova amin’ny lalan-tsaina efa nentin’ny tarika hatramin’zay, dia ny fivoizana tononkira tsotra nefa mafonja, miantefa any amin’ny fon’ny mpihaino, fa ihany koa, mitondra hafatra manabe sy mikolo ny foto-pisainan'ny tanora.

Ny Studion 58 no mikarakara ity fampisehoan’ny tarika Reko amin’ny alahady 28 desambra 2025 ity. Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fotoana. Isan’ny hovetsoin’ny tarika Reko, mandritra izany, ireo hira isa’ny tsy afaka am-bavan’ny maro ankehitriny, toy ny « Masoandro Mibaliaka », « Hafa Mihitsy » … Nisy notsongaina, hohirain’ny tarika amin’io fotoana io ihany koa, ireo hira voarakitra ao anatin’ny raki-peo vaovao. Nampanantena ny hanome zava-baovao ho an’ireo mpankafy ny tarika, amin’io fotoana io, ary hisy ny tsy ampoizina tena hahafinaritra ireo ho avy hijery ny fampisehoan’izy ireo, araka ny nambaran’i Fy Rasolofoniaina.

Lire la suite

Articles Similaires