Tsifanjariantsakafo : mampitarazoka ny ady ny tsy fahaizana misakafo sy ny tsy fahampian’ny enti-manana
Nitsidika ny CRENI, izay ivon-toerana fandraisana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika misy fahasarotana, eo anivon’ny hôpitaly CHRR Ambositra, androany 12 desambra 2025, ny mpandrindra nasiônalin'ny Foibem-pirenena ho an'ny Fanjarintsakafo (ONN), ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro¬m-pirenena ho an’ny Fanjariantsakafo andiany faha-20 izany, izay hankalazaina manomboka rahampitso.
Androm-pirenena ho an’ny Fanjariantsakafo
Nosafidiana hanamarihana ny Andro¬m-pirenena ho an’ny Fanjariantsakafo andiany faha-20 sy ny famaranana ny faha-20 taonan’ny ONN, i Ambositra, Faritra Amoron’i Mania. Mandritra ny roa andro no hanatanterahana ny fankalazana ôfisialy, rahampitso 13 sy rahafak’ampitso 14 desambra 2025. Mialoha ireo roa andro ireo dia efa nisy ireo hetsika samihafa notanterahina, toy ny fifaninanana isan-karazany niarahana tamin'ireo fikambanana tanora sy ireo ankizy mpianatra, izay nahitana fifaninanana kabary, fifaninanana fandrahoana sakafo, fahalalana ankapobeny manodidina ny fanjariantsakafo sy ny sakafo ara-pahasalamana…
Ho an’ny androany dia nisy ny fitsidihana ny CRENI (Centre de Récupération et d'Education Nutritionnelle Intensive), izay fandraisana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika misy fahasarotana, ka mety hitarika hatramin’ny fahafatesana haingana, niarahan’ny Mpandrindra Nasionalin'ny ONN sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny Faritra Amoron’i Mania, ireo tomponandraiki-panjakana isan-karazany sy ireo mpiara-miombona antoka. Manan-danja lehibe ny fiorenan’ny ivon-toerana tahaka itony eny anivon’ny hôpitaly, satria hahafahana manavotra ireo zaza izay tena atahorana ny ainy.
Tsifanjariantsakafo mahery vaika
Araka ny nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, dia efa misy rafitra mipetraka tsara eo anivon’ny CRENI ary manaraka dingana (protocole) efa maty paika amin’ny fandraisana an-tanana ireo zaza tratran’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika. « Tena mandray andraikitra amin’ny fitsaboana ireo tranga sarotra sy fara-tampony indrindra amin’ny tsifanjariantsakafo ny hopitaly », hoy izy. Fa ny fiaraha-mentan’ny rehetra, manomboka amin’ny eny ifotony, tonga hatrany amin’ny hôpitaly, tahaka ity any Ambositra ity, no hahafahana mampahomby ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo eto Madagasikara. Nazavainy, fa isan’ny antony nisafidianana an’Ambositra hanamarihana ny Andro¬m-pirenena ho an’ny Fanjariantsakafo izany. « Anisan’ny ambony ny tahan’ny tsifanjariantsakafo tany Amoron’i Mania, nihoatra ny antsasa-manilan’ny zaza », hoy izy, saingy azo lazaina ho vavolombelon’ny fahombiazan’ny fampiharana ny fiantomorana marolafy (approche multisectorielle) ity Faritra ity.
Fiantomorana marolafy
Raha adika tsotsotra ny atao hoe : fiantomorana marolafy dia ny fiarahan’ny rehetra mientana, amin’ny sehatra misy azy avy. Manomboka eny anivon’ny fokontany izany, amin’ny alalan’ireo mpanentana ara-pahasalamana (AC), izay miandraikitra ireny tobim-panjariantsakafo (Site communautaire de nutrition) ireny. Isan’ny misitraka izany tetikasa fampandehanana ny tobim-panjariantsakafo izany ny Faritra Amoron’i Mania, iarahan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manatanteraka amin’ny ONN. Zava-dehibe, hoy ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle, ny fisian’ireo mpanentana ifotony eny amin’ny Fokontany, izay manatona isan-tokantrano mihitsy. Eo ihany koa ny fandraisana an-tanana eny amin’ireo tobim-pahasalamana fototra (CSB), izay tena manan-danja ho an’ny 1.000 andro voalohan’ny zaza. « Eny no anaraha-maso ny fahasalaman’ny vehivavy bevohoka dieny vao mitsaika ny zaza, manao ny vaksiny, manome ny pilifera, sns… izay miantoka ny fitomboan’ny zaza tsara ». Eny ihany koa no manome ny torohevitra momba ny fampinonoana sy ny fampidirana sakafo, mba ho antoky ny fanjariantsakafon’ny zaza latsaky ny 5 taona.
Na eo aza anefa ny fivoarana, dia mbola tsy tratra ny tanjona. Isan’ny mbola mampitarazoka ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, araka ny nambaran’ny mpandrindra nasionalin’ny ONN, ny tsy fahampian’ny enti-manana, hahafahana mividy sakafo maroloko. Olana, ankoatra izay, ny fahasarotan’ny fandresen-dahatra ho amin’ny fiovam-pihetsika, izay handrisihana ny mponina mba hihinana sakafo miovaova sy isan-karazany. Nambaran’ny Pr Vololontiana Hanta Marie Danielle moa fa tsy ho ela no hivoaka ny antontan’isa farany momba ny tsifajariantsakafo eto Madagasikara.


