Fandraharahana ambanivohitra : Tanora miisa 31 no efa nahazo fanohanana ara-bola tamin’ny Fandaharan’asa PROGRES
Mizotra tsikelikely any amin’ny fanatrarana ny tanjona ny Fandaharan’asa PROGRES. Herintaona izay no nanombohany, ary miisa 31 ireo efa nahazo tohana ara-bola, raha hatramin’ny 50 000 no tanjona, ao anatin’ny 8 taona, hanatanterahana azy.
Fananganana orinasa madinika eny ambanivohitra
Tafiditra ao anatin’ity Fandaharan’asa ity ny hanampy ny tanora hivoatra sy hanangana orinasa madinika, indrindra ireo eny anivon’ny tontolo ambanivohitra. Ireo tanora miisa 31 ireo dia efa nanangana Micro-Entreprise Rurale ary miasa tanteraka amin’ny sehatry ny fandraharahana. Marihina fa ity fandaharanasa ity dia mikendry ny hanatsara ny fari-piainan’ny tanora 14 ka hatramin’ny 35 taona, avy amin’ny tokantrano marefo. Hatao amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahaiza-manao sy fitaovana ilaina amin’ny tontolon’ny fandraharahana, izany.
Efa nandalo « pré incubation »
Alohan’ny fahazoana ireo famatsiam-bola ireo dia tsy maintsy mandalo fiofanana samihafa, izay antsoina hoe « pré-incubation » ireo tanora ireo. Tanora miisa 298 no efa nisitraka izany dingana izany, tany amin’ny faritra Menabe, Melaky, Bongolava, Haute Matsiatra, Ihorombe, Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Vatovavy Fitovinany ary Atsimo Atsinanana.
Ny “pré-incubation”, moa raha ny fanazavana dia manamarika ny fidiran’ny tanora amin’ny làlan’ny fandraharahana. Mikendry indrindra ny fanamafisana ny fahalalana momba ny tontolon’ny fandraharahana izany. Eo ihany koa ny fitarihana sy fanomezana tari-dalana amin’ny famolavolana hevitra fandraharahana sy ny fampiroboroboana ny toe-tsaina maha-mpandraharaha. Tafiditra ao anatin’io dingana io ihany koa ny famoronana sy famolavolana hevitra ho tetikasa azo tanterahina ary ny fampiharana ny fomba fiasa GALS (Gender Action Learning System).
Nomena vahana manokana ity fomba fiasa GALS ity, satria io no fikafika entina hampiroboroboana ny fandraharahan’ireo tanora ireo. Mifantoka amin’ny fanamafisana ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny asa sy fanapahan-kevitra ara-toekarena, izy io, sy ny fampiroboroboana ny fitovian-jo sy ny fifandanjan-kery eo amin’ny lahy sy ny vavy; ary ny fanamafisana ny fahaiza-mitantana tetikasa eo anivon’ny tokantrano sy ny fiaraha-monina.
Raha tsiahivina dia mahatratra hatramin’ny 120 tapitrisa dolara, ny famatsiam-bola, amin’ity fandaharan’asa ity.


