Fahasalaman’ny vehivavy : fantaro ny mikasika ny « prériménopause »
Alohan’ny fitsaharana tanteraky ny fadimbolana eo amin’ny vehivavy dia mandalo vanim-potoana atao hoe « périménopause » na « préménopause » ny vatany. Izany hoe mbola tsy « ménopause » izy io fa dingana ara-boajanahary mialoha izany. Maro ireo fiovana ara-batana sy ara-pihetseham-po mety mitranga mandritra io vanim-potoana io. Mba hahafahana miomana sy miatrika ny « préménopause » ary dia ‘ndeha ho resahana ireo tsara fantatatra mikasik’izany.
Inona no atao hoe « périménopause » ?
Ny « périménopause », midika ara-bakiteny hoe « manodidina ny ménopause », dia ilay vanim-potoana hiantombohan’ny fihenan’ny hormonina vokarin’ny « ovaires », indrindra ny « oestrogène » sy « progestérone ». Amin’ny ankapobeny dia manodidina ny faha 40 taona sy 45 taona izy io no manomboka ary maharitra eo amin’ny 2 hatramin’ny 8 taona eo. Tapitra ny « périménopause » rehefa tsy misy fadimbolana mandritra ny 12 volana misesy ny vehivavy, izany hoe tonga amin’ny « ménopause ».
Inona ary ireo fambaran’ny « périménopause » ?
Miovaova be, miakatra sy midina ny famokaran’ny vatan’ny vehivavy hormonina mandritra ny vanim-potoan’ny « périménopause ». Mazava ho azy fa mitarika soritr’aretina maro samihafa izany, ka anisan’ireo fambara fahita ny :
-Fiovan’ny fitsingerenan’ny fadimbolana (cycle menstruel)
Isan’ny fambara miseho voalohany izany. Lasa miovaova be io « cycle » io, mety ho lasa fohy na lava kokoa. Ny rà ihany koa mety ho lasa betsaka no ny mahazatra na mifanohitra amin’izay, mihena be.
-Fambara ara-batana
Misy ihany koa ireo fambara ara-batana tsy mahazatra mitranga toy ny « bouffées de chaleur » sy ny hatsembohana be rehefa matory amin’ny alina. Ankoatra izay dia lasa mikorontana ny torimaso, lasa sarotra mahita tory na koa taitra aloha loatra. Eo amin’ny vehivavy sasany, mety hanao « sècheresse intime » vokatry ny fihenan’ny « œstrogène ».
-Fiantraikany ara-tsaina
Anisan’ireo fambaran’ny « périménopause » ihany koa ny fahakizitinana, tebiteby na fikorontanana ara-tsaina toy ny fahasahiranana mifantoka. Vokatry ny « variations chimiques » ao amin’ny atidoha mandritra io vanim-potoana io no mahatonga izany.
Oviana no tokony hanantona mpitsabo ?
Tsy dia tsara ny miatrika irery ireo soritr’aretina mety manelingelina ny fiainana andavanandro ireo. Ny fanantonana ny mpiasan’ny fahasalamana dia mety :
-Hampanao « bilan hormonal » ;
-Hanoro vahaolana natoraly hampitoniana azy ireo ;
-Hanome « traitement hormonal de la ménopause » raha toa ka mafy be ireo soritr’aretina.
Fanamarihana : raha toa ka mahatsikaritra fa mandeha be loatra ny rà mandritra ny fadimbolana na eo anelanelan’ny « cycles » dia mila manantona « gynécologue » avy hatrany sao sanatria misy aretina ambadika mila fitsaboana.


