• Cours de change
  • 5202.44 AR
  • |
  • $4507.52 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Volivoly ny tanana sy ny rantsan-tanana: ‘ndeha ho resahana !

15/12/2025 11:36 © Moov.Mg

Maro ireo antony mety mahatonga ny olona mahatsapa volivoly ny tanana sy rantsan-tanana. Na dia tsy dia misy atahorana azy izany amin’ny ankapobeny dia misy ihany ireo tranga ilàna fizahana ara-pahasalamana. Andeha ary ho resahana eto ireo antony mety mahatonga ny tanana sy ny rantsan-tanana volivoly ary oviana no tokony hanantona mpitsabo ?

Ireo antony mety mahatonga ny tanana sy rantsan-tanana ho volivoly

Ny tanana sy rantsan-tanana volivoly dia fahatsapana tsy ara-dalàna vokatry ny fikorontanana mandalo na maharitra eo anivon’ny « fonction nerveuse ». Matetika izy dia avy amin’ny tsindry, ratra na « irritations » an’ireo « nerfs » manenika ny sandry, ny hato-tanana ary ny tanana. Maro ireo antony mety mahatonga ny tanana sy ny rantsan-tanana volivoly, ka anisan’izany ny :
-« Compression Nerveuse Temporaire »
Ny « compression nerveuse temporaire » na hoe ny « position » no antony matetika mahatonga ny tanana sy rantsan-tanana volivoly. Izany hoe raha toa ka manindry ny sandry rehefa matory na koa hoe mijanona amin’ny « position » iray tsy mampahazo aina mandritra ny fotoana maharitra dia lasa voatsindry ny « nerf » na lasa miato vetivety ny fivezivezen’ny rà eo amin’ilay faritra voatsindry ka mahatonga ilay fahatsapana volivoly. Afaka ho azy io fahatsapana io rehefa tsy voatsindry intsony ilay faritra.
-« Syndrome du Canala Carpien »
Izy ity matetika no mahatonga ny fahatsapana volivoly maharitra. Izany hoe ny « nerf médian » izay ao amin’ny rantsan-tanana, dia mandalo « tunnel » tery iray eo anivon’ny hato-tanana izay atao hoe « canal carpien ». Rehefa mihatery io « tunnel » io na mivonto ireo « tendons » ao anatiny dia lasa voapositra ilay « nerf médian » ka mahatonga ilay fahatsapana volivoly, indrindra eo anivon’ireo rantsan-tanana telo voalohany.
-Tsy fahampiana vitamina sy mineraly
Ny tsy fahampiana vitamina sasany, toy ny vitamina B, dia mety hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ireo « nerfs » ary mahatonga ny fahatsapana volivoly.

Ireo antony ara-pahasalamana tokony hahamailo

Ny fahatsapana volivoly ao amin’ny tanana sy ny rantsan-tanana ihany koa dia mety ho soritr’aretin’ny toe-pahasalamana mety ilaina fanaraha-maso, toy ny :
-Diabeta. Ny tahan’ny siramamy anaty rà avo loatra dia mety manimba ny « nerfs ». Eo anivon’ny tanana sy ny tongotra matetika no manomboka ny fahatsapana volivoly ;
-« Sclérose en plaques ». Ity aretina « auto-immune » ity dia manafika ny « gaine protectrice » an’ireo « nerfs » ao anivon’ny atidoha sy ny tadin'ny hazon-damosina. Mety miverimberina matetika ilay volivoly ;
-« Syndrome de Raynaud ». Aretina iray mety mitarika fahateren’ireo lalandrà izay voarisiky ny hatsiaka sy ny rarintsaina izy io. Lasa mangatsiaka, miloko fotsy na mangana ireo rantsan-tanana avy mivaremana sy volivoly rehefa mihamafana.

Oviana no tokony hanantona mpitsabo ?

Raha mandalo fotsiny sy ara-dalàna ny volivoly amin’ny tanana sy rantsan-tanana vokatry ny « position », dia tokony handrisika hanantona mpitsabo kosa nefa izany raha toa ka :
-Maharitra sy tsy afaka anatin’ny minitra vitsy;
-Mihamafy sy manelingelina ny fahafahana manao zavatra (mampiasa tanana);
-Miseho miaraka amin’ny soritr’aretina hafa, toy ny hoe malemilemy ny hozatra, tsy mahavita mihetsika, tsy mahita tsara ny maso, fanimpanina na verivery saina ;
-Mitranga tampoka sy mafy be aorian’ny ratra eo anivon’ny hatoka, hato-tanana na lamosina.

Lire la suite

Articles Similaires