Sakafo mahasoa ny atidoha : manampy amin’ny fiadiana amin’ny Alzheimer
Aretina manimba miandalana ny atidoha ny Alzheimer ka mahavery tsikelikely ny fitadidiana, ny fahafana misaina sy mitondra tena ara-dalàna. Na dia tsy misy aza ny fitsaboana manasitra azy io dia afaka manampy betsaka amin’ny fanakanana azy tsy hihombo malaky loatra ny fihinanana sakafo mahasoa ny atidoha. Araho eto ary ny santionany amin’ireo sakafo tsara hoanina mba hikoloana ny atidoha sy hanakanana ny fihombon’ny Alzheimer malaky loatra.
Ny « oméga-3 » : tsara ho an’ny fitadidiana
Ny « acides gras oméga-3 », indrindra ny « acide docosahexaénoïque (DHA) », dia singa lehibe mandrafitra ny « membranes » an’ireo selan’ny atidoha. Manana fiasa « anti-inflammatoires » izy ireo ary mitanga anjara lehibe amin’ny fifandraisan’ireo « neurones ». Manampy betsaka amin’ny fikoloana ny fitadidiana izy io. Anisan’ireo sakafo be « oméga-3 » ny trondro matavy, ny « noix » sy ny « graines », ny menaka zavamaniry toy ny « huile de lin » sy ny « huile de colza ».
Ny « antioxydants » : miaro amin’ireo « radicaux libres »
Marefo tokoa ny atidoha manoloana ny « stress oxydatif ». Ny « antioxydants » dia manampy amin’ny fiadiana amin’ireo « radicaux libres » izay mety manimba ny « cellules nerveuses ». Anisan’ireo sakafo mitahiry « antioxydants » amin’ny tahany ambony ny « baies », toy ny frezy sy ny voarohy noho izy ireo manankarena « flavonoïdes ». Ireto farany moa dia manatsara ny fitadidiana sy ny fiasan’ny atidoha. Be « antioxydants » ihany koa ny legioma raviny maitso toy ny « épinards » izay be vitamina E, vitamina K sy « lutéine ».
Ny voamaina sy ny « grains entiers »
Ny voamaina sy ny « grains entiers » dia mampidana sy mandanjalanja ny famokarana « glucose » izay tena ilain’ny atidoha. Ankoatra izay dia manankarena fibra izy ireo ka manampy amin’ny fandrindrana ny tahan’ny siramamy ao anaty rà ary mikolo ny « microbite intestinal » izay misy ifandraisana betsaka amin’ny fahasalaman’ny atidoha. Ny vary mena, « lentilles », « avoine », « pain complet »… no mitahiry azy ireny.


