« Infection urinaire » miverimberina : ahoana ny atao hisorohana izany ?
Ny vehivavy no tena voakasiky ny « infection urinaire » miverimberina fa mety ho voa ihany koa ny lehilahy sy ny ankizy. Lazaina ho miverimberina izy io raha miseho in-3 na mihoatra ao anatin’ny herintaona, na in-2 ao anatin’ny enim-bolana. Matetika dia “cystite” no endriny, ary mety hanelingelina ny fiainana andavanandro ka mila fitsaboana sy fisorohana sahaza. Ireto ary ny fomba manampy hisorohana ny « infection urinaire » miverimberina.
Misotro rano ampy isan’andro
Ny fisotroana rano 1,5 hatramin’ny 2 litatra isan’andro (raha tsy misy fepetra manokana omen’ny dokotera) dia manampy manalefaka ny pipy sy manala ireo mikraoba ao anaty tatavia, indrindra ilay bakteria antsoina hoe « Escherichia coli », izay matetika mahatonga ny « cystite ». Tsinjaraina mandritra ny andro ny fisotroana rano fa tsy atao indray mandeha misotro. Ahena ny fatra rehefa hariva.
Manaraka fahazarana tsara rehefa mankany an-kabine
-Tsy mitana pipy ela loatra na miandry poritra be,
-Mivalan-drano aorian’ny firaisana ara-nofo mba hanesorana ireo mikraoba mety tafiditra,
-Rehefa mamafa tena dia avy eo anoloana mankany aoriana, mba tsy hifindran’ny mikraoba avy amin’ny tsinay mankany amin’ny lalan-pivalanana.
Ireo fihetsika tsotra ireo dia mampihena be ny loza mety hitranga.
Tandremana tsara ny fomba fanabeazana aizana ampiasaina
Misy fomba fanabeazana aizana sasany, toy ny « diaphragme » na « spermicide » mety hampitombo ny « risques » hahavoan’ny « infection urinaire ». Raha miverimberina matetika ity farany dia tsara ny miresaka amin’ny mpitsabo mba hijerena sao mila ovaina ny fomba fanabeazana aizana ampiasaina.
Karakaraina ny fahadiovan’ny mahavehivavy
-Tsy misasa mihoatra ny indroa isan’andro satria ny fahadiovana tafahoatra dia mety hanimba ny « flore vaginale » sy hampisy « infection urinaire »,
-Tsy mampiasa savony misy hanitra mahery na « douche vaginale »,
-Atin’akanjo vita amin’ny landihazo (coton) no anaovana ary ialana ny akanjo tery loatra izay mampitombo hafanana sy hamandoana.
-Ny fifandanjan’ny mikraoba voajanahary ao amin’ny fivaviana dia miaro amin’ny aretina.
Manatona mpitsabo raha misy soritr’aretina hafahafa
Fanaintainana rehefa mivalan-drano, filàna mivalan-drano matetika, fanaintainana eo ambany kibo, na pipy manjombona dia tokony handrisika hanantona mpitsabo haingana. Ny fitsaboana ara-potoana dia misoroka fahasarotana toy ny aretin’ny voa (pyélonéphrite). Raha miverimberina matetika ny « infection urinaire » dia mety ilaina ny fanaovana fitiliana fanampiny hijerena raha misy olana amin’ny firafitry ny lalan-pivalanana.




