• Cours de change
  • 5253.35 AR
  • |
  • $4543.4 AR
Copyright Image : © Sante-Toutcomment
Image
Fahasalamana&Sakafo

Magnésium : Singa tena ilain'ny vatana !

19/12/2025 11:43 © Moov

Marobe tokoa ireo singa sy otrikaina ilain'ny vatana, antony hihinanana sakafo isankarazany sy maroloko. Anisan'ny tsy azo atao tsinontsinona ny "Magnésium" satria misy fiantraikany ratsy amin'ny vatana raha toa ka tsy ampy azy.

Voly matetika ny tongotra sy ny tanana, marary na mihenjana hafahafa ny hozatra, rera-dava na efa mak'aina aza : anisan'ny fambaran'ny tsy fahampiana magnésium ireo. Mbola azo heverina ho fambara ihany koa ny tsy fahitan-tory na fahatapahan'ny torimaso, ny rarintsaina be loatra, ny fihenan'ny fitadidiana, ny aretin'andoha matetika sy ny fitempon'ny fo toa haingana tampoka.

Ilaina ny sakafo be Magnésium

Raha toa ka mahatsapa iray na roa amin'ireo fambara ireo dia tokony hanontany tena raha ampy Magnésium tsara. Matetika moa dia manontany tena ny marary rehefa misy Magnésium hatrany ny fanafody rehefa mankany amin'ny dokotera, indrindra raha aretina miverimberina mandreraka ny vatana.
Mba hisorohana ireo karazan'aretina manahirana, tsara raha atao ampy ny fatran'ny Magnésium ilain'ny vatana. Noho izany, tokony hihinana sakafo manankarena Magnésium ny tsirairay : chocolat, akondro, zavokà, anana maitso. Mitondra Magnésium ihany koa ny voamaina, indrindra ny tsaramaso sy ny lentilles.

Lire la suite

Articles Similaires