• Cours de change
  • 5282.45 AR
  • |
  • $4558.6 AR
Copyright Image : © France Tv
Image
Sexualité & Mariage

Fananahana : ny tsara fantatra mikasika ny « contraception d’urgence »

23/12/2025 09:06 © Moov.Mg

Ny « contraception d’urgence » dia fanabeazana aizana maika atao aorian’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro mba hisorohana ny vohoka tsy niriana. Tsy mahasolo fanabeazana aizana maharitra izy io ary misy ireo fepetra tsara fantatra mba hampahomby ny fampiasana azy. Araho eto ary ny mikasika ny « contraception d’urgence ».

Inona no atao hoe « contraception d’urgence » ?

Araka ny voalaza teo ambony dia vahaolana « vonjy taitra » ho an’ny vehivavy natao hisorohana ny vohoka tsy niriana aorian’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro ny « contraception d’urgence ». Izany hoe tsy azo ampiasaina atao fanabeazana aizana maharitra izy io. Misy karazany roa lehibe ny « contraception d'urgence » :
-Ny Pilina (Pilule du lendemain). Izy ity no be mpampiasa indrindra. Misy karazany roa izy io arakaraka ny heriny. Ny voalohany dia ilay azo hoanina anatin’ny 3 andro (72 ora) aorian’ny firaisana. Ny faharoa kosa dia azo hoanina hatramin’ny 5 andro (120 ora) aroian’ny firaisana.
-Ny « Stérilet » (DIU au cuivre). Izy ity indray dia fitaovana kely apetraky ny mpitsabo any anaty tranon-jaza. Izy io no fomba fisorohana ny vohoka tsy niriana mahomby indrindra raha atao ao anatin'ny 5 andro aorian'ny firaisana.

Rahoviana no mampiasa « contraception d’urgence » ?

Ampiasaina ny « contraception d’urgence » raha toa ka :
-Nanao firaisana ara-nofo anatin’ny fotoana mahalonaka (ovulation) nefa tsy nampiasa fiarovana toy ny kapaoty… ;
-Rovitra na triatra ny kapaoty ;
-Nanadino nihinana pilina fanabeazana aizana ;
-Nisy fanolanana na herisetra ara-nofo.

Ireo fanamarihana mikasika ny « contraception d’urgence »

Misy ireo fanamarihana tsara fantatra mialohan’ny hampiasana ny « contraception d’urgence » :
-Arakaraky ny hanatanterahana malaky ny « contraception d’urgence », izany hoe ny fihinanana ny « pilule du lendemain » na ny fametahana ny « DIU au cuivre » no mampandaitra azy. Tsy tokony hiandry ela aorian’ny firaisana tsy voaaro.
-Tsy fanalana zaza izy io. Ny « contraception d’urgence » dia manakana ny « ovulation » (pilina) na koa manakana ny « fécondation » (DIU). Raha efa bevohoka vao mampiasa azy ireny dia tsy mandaitra intsony izy io satria tsy manala zaza.
-Tsy miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo izy io. Ny kapaoty ihany no miaro amin'izany.
Ireo mety ho vokatry ny fanafody « contraception d’urgence » : mety ho fanina kely, maloiloy, misy fikorontanana ny fadimbolana aorian’ny nampiasana azy. Averina hatrany fa tsy fanabeazana aizana fanao isan’andro ny « pilule du lendemain ». Tsy tokony hoanina mihoatra ny indroa ao anatin’ny taona izy io.

Lire la suite

Articles Similaires