Fananahan’ny vehivavy : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « vaginisme »
Olana ara-pananahana mety mitranga amin’ny vehivavy izay tsy dia resahana firy ny « vaginisme ». Vehivavy maro nefa no mety hiaina azy io mandritra ny fiainany. Mety hiteraka ahiahy, olana ara-panambadiana, fijaliana ara-batana sy ara-tsaina izy io raha tsy voaray an-tanana. Azo tsaboina tsara nefa ny « vaginisme » rehefa mahazo fanampiana sy fitsaboana ara-dalàna.
Inona no atao hoe « vaginisme » ?
Toe-javatra mety miseho ny hoe mihidy sy mihenjana ho azy ny hozatry ny fivaviana rehefa misy fiezahana hiditra ao, toy ny firaisana ara-nofo, fampidirana « tampon », na fizahana ataon’ny mpitsabo. Io toe-javatra io no atao hoe « vaginisme ».
Noho io fihenjanan’ny hozatra ny fivaviana io dia mety ho sarotra ny fidiran’ny filahiana mandritra ny firaisana ara-nofo, marary na tsy ho tafiditra mihitsy aza. Marihana fa tsy fanapahan-kevitra na fanahy inian’ny vehivavy izy io. Fanehoana ho azy ataon’ny vatana ny « vaginisme », ka matetika vokatry ny antony ara-tsaina sy ara-batana mifangaro no mitarika izany.
Inona avy ny mety ho antony?
Mety hisy antony maro ny « vaginisme », ary indraindray mifangaro izy ireo.
Antony ara-tsaina :
-tahotra sao marary ny firaisana
-tebiteby na tahotra mifandray amin’ny firaisana
-fanabeazana henjana loatra momba ny resaka firaisana
-traikefa ratsy na mampahory teo aloha
-adin-tsaina na tsindry (pression) mandritra ny firaisana
Antony ara-batana :
-aretina na fivontosana teo amin’ny fivaviana taloha
-fahamainana ao amin’ny fivaviana
-voka-dratsin’ny fiterahana nisy fahasarotana
-fanaintainana eo amin’ny faritra « pelvienne »
Indraindray kosa dia tsy hita mazava ny antony.
Ireo soritr’aretina mety mitranga
Ny vehivavy manao « vaginisme » dia mety hiaina :
-fahasarotana na tsy fahafahana manao firaisana misy fidirana (pénétration)
-fanaintainana mafy rehefa misy fiezahana hiditra
-tahotra mialoha ny firaisana
-fihenjanana amin’ny hozatry ny fivaviana na ny valahana
Mety hiteraka fahamenarana, fanameloan-tena, na olana eo amin’ny mpivady izany.
Azo sitranina ve ny « vaginisme »?
Olana ara-pananahana azo tsaboina tsara amin’ny ankamaroan’ny tranga ny « vaginisme ». Matetika dia misy dingana maromaro ny fitsaboana azy io :
*Fanatonana mpitsabo
Ny fitsidihana dokotera na mpitsabo vehivavy dia manampy:
-hijerena raha misy antony ara-batana
-hahazoana fanazavana mazava
-hahazoana fitsaboana mety.
*Fanazarana ny hozatry ny faritra « pelvienne »
Ny fanazaran-tena ataon’ny mpitsabo manokana dia manampy:
-hifehy sy hampiala ny fihenjanan’ny hozatry ny fivaviana
-hampihena ny fikatsoana tsy fidiny.
*Fanohanana ara-tsaina
Indraindray ilaina ny miresaka amin’ny mpitsabo ara-tsaina mba:
-handresena ny tahotra
-hanatsarana ny fahatokisan-tena
-hahafahana miaina firaisana amin’ny fomba milamina.
*Fanazarana tsikelikely
Mety hanoro fanazaran-tena atao ao an-trano ihany koa ny mpitsabo, toy ny:
-fanazaran-pisefoana (respiration) sy fialan-tsasatra
-fahafantarana sy fanekena ny vatana
-fampiasana fitaovana fanazaran-tena tsikelikely raha ilaina.




