Fandrindram-piterahana : azo antoka 100% ve ny « méthode du retrait » ?
Anisan’ireo fomba fandrindram-piterahana tranainy indrindra ampiasain’ny olona ny « méthode du retrait » na « tsy alefa any » hoy isika. Izany hoe fanesorana ny filahian’ny lehilahy hiala ao amin’ny fivavian’ny vehivavy alohan’ny hivoahan’ny tsirinaina, mba hisorohana ny fidiran’ny tsirinaina ao amin’ny taovam-pananahan’ny vehivavy. Maro nefa no manontany tena hoe: tena azo antoka 100% ve ity fomba ity? Tsotra ny valiny: tsia, tsy azo antoka tanteraka ny « méthode du retrait ».
Inona no maha tsy azo antoka 100% ny « méthode du retrait » ?
Maro no mihevitra fa raha tsy mivoaka mankao anatin’ny fivavian’ny vehivavy ny tsirinaina dia tsy mahabevohoka. Tsy marina tanteraka anefa izany. Alohan’ny hivoahan’ny tsirinaina dia misy ranon-javatra mivoaka, antsoina hoe « liquide pré-éjaculatoire », avy amin’ny filahiana. Io ranon-javatra io dia manampy amin’ny fanalefahana ny lalan’ny tsirinaina sy ny fanamorana ny firaisana.
Na dia tsy dia ahitana tsirinaina betsaka aza izy io matetika, dia mety mbola hisy tsirinaina tavela ao anatiny, indrindra raha vao avy nisy fivoahan’ny tsirinaina talohan’izay. Noho izany dia mbola mety hahabevohoka na dia tsy nalefa tao anaty fivaviana aza ny tsirinaina.
Ankoatra izay, miankina tanteraka amin’ny fahaizan’ilay lehilahy mifehy sy mahafantatra ny fotoana hivoahan’ny tsirinainy ity fomba ity. Tsy mora foana anefa ny fampiharana izany satria mety hisy hadisoana noho ny hafanam-po, ny havizanana, na ny tsy fahafahana maminavina tsara ny fotoana hivoahan’ny tsirinaina.
Hatraiza ny fahombiazan’ity fomba fisorohana vohoka tsy niriana ity?
Raha ampiharina tsara sy ara-dalàna ny « méthode de retrait » isaky ny manao firaisana dia mety hahatratra 96% eo ho eo ny fahombiazany. Midika izany fa vehivavy 4 amin’ny 100 no mbola mety ho bevohoka ao anatin’ny herintaona.
Amin’ny fiainana andavanandro nefa matetika dia tsy tonga lafatra ny fampiharana azy io ka mampitombo ny « risque » vohoka tsy niriana. Izany no mahatonga azy ho isan’ireo fomba fandrindram-piterahana manana taham-pahombiazana ambany kokoa raha oharina amin’ny fomba maoderina hafa.
Inona avy ny tombony azo avy amin’ny « méthode du retrait » ?
Na dia manana fetrany aza ny « méthode du retrait », dia misy ihany ireo lafy tsarany :
-Tsy mandany vola.
-Tsy mila fanafody.
-Azo ampiasaina avy hatrany amin’ny fotoana rehetra.
-Tsy misy fiantraikany amin’ny hormonina.
-Afaka manampy vonjimaika rehefa tsy misy fomba hafa azo ampiasaina.
Inona kosa ny lafy ratsiny?
Misy lafiny ratsy tokony ho fantatra ny fampiharana ity fomba fandrindram-piterahana ity :
-Mbola avo ny « risque » mety hahabevohoka.
-Miankina betsaka amin’ny fifehezan’ny lehilahy ny fotoana hivoahan’ny tsirinaina ny fahombiazany.
-Mety hiteraka tebiteby sy ahiahy ho an’ny mpivady sasany.
-Tsy miaro amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.
-Tsy mitovy ny fahombiazany arakaraka ny olona mampiasa azy.




