• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Coopleo
Image
Sexualité & Mariage

Ireo famantarana tsy fahampian’ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady

22/06/2026 12:19 © Moov.Mg

Anisan’ny fototra lehibe mampaharitra sy mampahomby ny fiainan’ny mpivady ny fifampiresahana. Izany no ahafahan’ny mpivady mifankahazo, mamaha olana ary mampitombo ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana. Rehefa mihena na tsy mandeha tsara ny fifampiresahana dia mety hiteraka olana maro eo amin’ny fiarahana sy ny tokantrano. Ireto àry misy famantarana vitsivitsy maneo tsy fahampian’ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady.

Mihena ny fifanakalozan-kevitra tena manan-danja

Anisan’ny famantarana voalohan’ny tsy fahampiana fifampiresahana eo amin’ny mpivady ny fihenan’ny fifanakalozan-kevitra tena manan-danja. Matetika dia momba ny raharaha ao an-trano, ny ankizy, ny vola na ny fandaminana isan’andro sisa no ifampiresahana. Lasa tsy dia mizara intsony ny fihetseham-pony, ny ahiahiny na ny tanjony manokana ny mpivady.

Lasa matetika ny tsy fifankahazoana

Rehefa tsy ampy ny fifampiresahana dia mora mitranga ny tsy fifankahazoana eo amin’ny mpivady. Samy mandika ny teny na ny fihetsiky ny iray amin’ny fomba ahazoany azy ny andaniny sy ny ankilany fa tsy mifampihaino intsony. Izany nefa dia miteraka ady na fifandirana amin’ny tsy antony.

Tsy sahy miresaka momba ireo lohahevitra lehibe ny mpivady

Misy lohahevitra lasa sarotra resahina, toy ny vola, ny firaisana ara-nofo, ny drafitra ho avy na ny olana eo amin’ny fiarahana. Noho ny tahotra ady na fitsarana dia misafidy ny hangina ny iray na izy roa tonta fa masa tsy sahy maneho ny tena ao am-pony.

Miverimberina foana ny ady tsy voavaha

Ao amin’ny mpivady tsy ampy fifampiresahana dia miverimberina matetika ireo olana sy fifandirana efa teo aloha tsy voavaha. Ny anton’izany dia satria tsy afaka maneho mazava ny filàny sy ny fihetseham-pony ny roa tonta, hany ka na dia toa ny adinodino aza ireo olona na fifandirana ireo dia tsy maintsy miverina ihany aty aoriana.

Mihabetsaka ny fahanginana

Ara-dalàna ny fahanginana indraindray rehefa miaraka ny mpivady. Saingy raha lasa manjaka sy mavesatra kosa ny fahanginana, indrindra raha tsy maniry hifampiresaka intsony ny mpivady, dia mety manambara fitomboan’ny elanelana ara-pihetseham-po izany.

Mahatsapa ho tsy voahaino na tsy takatra

Mety hahatsapa ny iray fa tsy raisina an-tanana ny fihetseham-pony, ny filàny na ny heviny. Io fahatsapana io dia mety hiteraka fahadisoam-panantenana, alahelo na hatezerana miafina.

Fitarainana sy tsikera no manjaka amin’ny resaka

Rehefa feno tsikera sy fitarainana ny fifampiresahana dia sarotra ny mitazona fifandraisana salama. Ny resaka tokony hanampy amin’ny famahana olana dia lasa voabahan’ny teny manakiana sy manome tsiny.

Mihena ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina

Misy fiantraikany amin’ny fifandraisana ara-pihetseham-po ny tsy fahampian’ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Lasa mihena ny fotoana ifampizarana, ny fihomehezana miaraka ary ny fahatsapana ho akaiky ny fo.

Ahoana no hanatsarana ny fifampiresahana eo amin’ny mpivady?

Mitaky ezaka avy amin’ny roa tonta ny fanatsarana ny fifampiresahana. Tsara ny manokana fotoana hifampiresahana, mianatra mihaino tsy manapaka teny, maneho ny fihetseham-po amim-panajana ary mamaha olana dieny mbola kely izany fa tsy andrasana efa mavesatra sy lalim-paka.

Lire la suite

Articles Similaires